Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

Mitohy ny fandaminana ny fizarana fisotroandronono manaraka ny tetiandro napetraky ny tahirimbolam-panjakana. Anjaran’ireo manana laharana miafara amin’ny A, B, C, D, E no misitraka izany anio, eny amin’ny TME, TP, TPIC ary PP eto Analamanga. Ho an’ireo mitondra « procuration » sy izay taraiky kosa ny andro rahampitso. Fotoanan’ny voankazo izao. Tsara […]

Fampiofanana teknika sy arakasa : nivoaka ny lasi-piofanana momba ny « patissier-traiteur »

Notanterahina tao Amba­to­roka ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny lasi-piofanana momba ny asa “Pâtissier –Traiteur”. Dingana iray lehibe ho an’ny sehatry ny fizahantany, fandraisam-bahiny, fampisakafoana sy ny asa tanana eto Madagasikara ny fahavitan’izao lasitra izao. Natomboka ny volana septambra teo ireo asa famolavolana sy fandrafetana ny lasi-piofanana. Nifarimbonan’ireo manam-pahaizana manokana […]

Fizarana fanomezana an-dalambe: nametraka rindranda­mina ny CUA

Namoaka fandaminana ny kaominina Antananarivo Reni­vohitra ho an’ireo fikambanana sy orinasa manao hetsika an-dalambe, fizarana fanomezana ho an’ireo sahirana sy tsy manan-kialofana mandritra ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona. Manomboka amin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny 9 ora alina no hanatanterahana ny hetsika fizarana. Tokony hiantso mialoha ny CUA […]

Biraon’ny ankizy tsy ampy taona any Frantsa : “Maro ny ankizy malagasy voakasiky ny votoaty mamoafady”

Nandefa antso maika ho an’ny firenena frantsay ny ECPAT France hanohana ny lalàna eoropeanina manohitra ny fanararaotana mamoafady atao amin’ny ankizy eny amin’ny interinety. Mikendry ny hampandraisana andraikitra ireo mpisehatra amin’ny interinety hanesoran’izy ireo haingana ny sary, feo na horonan-tsary mamoafady mahakasika ankizy ka hitoroka izany ny lalàna. Nampitan­drina ny biraon’ny ankizy […]

TARATRY ny KANTO

“Velakevitra momba ny haisoratra”. Hotontosaina anio, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro izy ity, ao amin’ny Efitano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy. Iarahana amin’ireo andrarezina roalahy: Ratrema William sy Ranöe. Iry voalohany hamakafaka ny “Hasin’ny teny malagasy”, raha toa ka hamelabalatra ny “fomba hiainana ny teny malagasy” kosa ny faharoa. Seho […]