Auteur/autrice : Adnews

Faha -18 taonan’ny FC Copain : hanao fifaninanana hahazoana omby mifahy

Amin’izao faha-18 taonan’ ny ekipan’ny FC Copain izao, hikarakara fifaninanam-pokotany izy ireo. Raha ny fanazavana nataon-dRakotondra­miara Hasina, filohan’ity klioba ity, omaly, teny Alarobia. Hotolorana omby mifahy sy amboara ary “maillot” izay tompondaka amin’ity andiany voalohany ity. Ondry kosa ny an’ny faharoa. Ny Airtel Madagascar no hiara-hiasa amin’izy ireo amin’ny fikarakarana […]

SOMBIM-BAOVAO

Judo. Misaona ny tontolon’ny Judo eto Madagasikara. Nodimandry, omaly, ny Maitre Rabibisoa Nicodem, tepana mainty 5e Dan. Tany amin’ ny faritra Atsimon’ny Nosy izy no tena nilomano teo amin’ity taranja ity. Efa tompondaka imbetsaka ary efa nandrafitra ny ekipa nasionaly ihany koa. Mpanazatra, filohana ligy ary mpanolotsaina teknika no nahafantarana […]

International Multi-boxe : nifampizarana ny fandresena

Tontosa tetsy amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny alahady lasa teo, ny “Gala international Multi-boxe”, andiany voalohany. Fifaninanana nokarakarain’ny federation malgache de savate boxe française. Nifampizaran’ny Malagasy sy ry zareo avy atsy amin’ny Nosy rahavavy ny fandresena, teo amin’ny vokatra. Ho an’ny savate boxe, sokajy -63,5 kg, lehilahy, nisongadina ilay renioney, […]

« World Jiu-Jitsu Championship » : hiditra an-tsehatra anio i Zo Aina

Hiditra amin’ny andro fahefatra anio, ny fifaninanana “World Jiu-Jitsu Championship”, handraisan’i Madagasikara anjara any Abu Dhabi. Malagasy atleta faha-6 amin’ireo mpandray anjara i Zo Aina, izay hiditra an-tsehatra anio. Taorian’i Nofy, i Adriano, i Christian, i Tafita, i Rajo ary i Linjo, anjaran’i Zo Aina indray ny hifaninana ho amin’ny […]