Tsy voahelingelina ny fampianarana sy ny asam-barotra, omaly maraina, teny Analakely sy ny manodidina. Ny Taxi-be sy ny mpampiasa lalana mandeha an-tongotra sy ny fiara madinika no tena sahirana. Nitohy nilamina ny fampianarana teny amin’ny faritra Analakely sy ny manodidina, omaly maraina, na teo aza ny sakana nataon’ny mpitandro filaminana […]
Auteur/autrice : Adnews
Fifidianana: ho avy ny iraky ny Sadc
Anisan’ny nivoitra tamin’ny fihaonana an-tampon’ny Sadc niarahana amin’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta tany Luanda, ny 4 novambra teo, ny momba ny fifidianana. Anisan’izany ny handefasan’ny eo anivon’ity Vondrom-paritra ara-toekarena ity iraka mpanara-maso ny fifidianana hatao eto amintsika. Nirary ny hipetrahan’ny fitoniana sy ny filaminana ho an’i Madagasikara sy ny any […]
Rabary Paul : “Tsy manana fahamatorana ireo kandidà folo”
Tsy fahamatorana politika ny hetsiky ny kandida folo, araka ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Rabary Paul. Tamin’ny 1958, nisafidy ny sata repoblikanina i Madagasikara, mametraka fa amin’ny alalan’ny fifidianana no ametrahana mpitondra. “Inona no anaovana amboletra ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mey?”, hoy izy. Mariky ny tolom-bahoaka ny kianjan’ny 13 […]
Ankasina: taolam-paty hita tao anaty bidao mavo
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito (CSP7), 67 ha, teny Ankasina, afakomaly hariva ny jiolahy iray nahatrarana taolam-paty. Nahazo loharanom-baovao mialoha ny polisy momba ny fisian’ity jiolahy ity mihaodihaody eny amin’iny faritra Ankasina iny. Tsy azo antoka fa mitondra zavatra mifonofono selofanina. Mivezivezy eny Ankasina izy, araka […]
Emmo/Nat : “Homena mpiambina manokana ireo kandidà”
Namory mpanao gazety tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava, ny eo anivon’ny Emmo/Nat, omaly. Nitondra fanazavana manoloana ny toe-draharaham-pirenena izy ireo tamin’izany. Nambaran’ny eo anivon’ ny Emmo/Nat, ny Jly Ramasimanana William fa misy tetika maloto any ambadika any ka handray ny fepetra samihafa mifandraika amin’izany izy ireo. “Misy mikasa ny hifofo ny […]




