Auteur/autrice : Adnews

Orinasa Smmec: masoivoho fahafito ny eny Anosimasina Itaosy

Miezaka manakaiky ny mpikambana hatrany ny orinasa Smmec. Mi­sokatra ny ma­soivoho vaovao, fa­hafito, eny Anosimasina Itaosy, mi­tondra ny anarana hoe « masoivoho Smmec Fanavotana ». Misa­hana ny mpikambana eny Itaosy, Ampitata­fika, Imerin­tsiatosika, Tanjombato, Ando­haranofotsy ary Alasora. Toy ny any amin’ny masoivoho manerana ny Nosy, azo sitrahana ao amin’ny Smmec Fanavotana ny tolotra rehetra, toy […]

Banky iraisam-pirenena: hiantraika any amin’ny solika sy ny sakafo ny ady any Moyen Orient

Namoaka tatitra ny Banky iraisam-pirenena fa hiteraka krizy ara-toekarena goavana amin’ny lafiny sakafo sy ny angovo ny ady any Moyen Orient, ifanaovan’i Israely sy i Palestinina. Hanampy trotraka ny ady eo amin’i Rosia sy Ukraine ny ady eo amin’ny israeliana sy ny palestiniana. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Commodity Markets Outlook, […]

TARATRY ny KANTO

Mitohy ny fihodinan’ny tarika Baobab, any Eoropa. Efa nahavita seho am-polony hatrany Italia, Suisse ary mbola mitohy ao France amin’izao fotoana izao ny tarika Baobab. Manana daty telo misesy ry Haingo sy ny tariny amin’ity faran’ny herinandro ity, ary mbola hitohy izany. Ny famelomana ireo hira tsy ton­tan’ny ela, tsy […]

Rabenandrasana Lalao – Boky: nivoaka ny « Tantaran’i Madagasikara »

«Diary ho an’ny mpianatra”. “Raha nitsidika ny Rovan’ i Manjakamiadana ny mpanoratra ity boky ity, ny 15 desambra 2011, dia ontsa nahita ireo mpianatra marobe nifanosika nandika ny tantaram-pirenena naranty tao. Tapa-kevitra fa hanangona sy hanovo ary handrakitra izany ho bokikely ho an’ny mpianatra sy izay liana amin’ny tantaram-pirenena aho. […]

Misidina ambony vao tra-pahoriana !

  Manomboka mifantsika ao an-tsain’ny Malagasy maro ny fiheveran-tena fa ambany raha ampitahaina amin’ny vahiny. Nariana ny maha izy ny tenany fa nolohalohavina ny an’ny hafa. Atao tsinontsinona sy nanjary nahamenatra ny miaina sy manaja ny fomban-drazana sy izay rehetra mifamatotra amin’ireny (fady, tody, fitafy, fifanajana, fihavanana, teny…) fa ratsy, […]