Auteur/autrice : Adnews

Hira, fanentanana… : mpanakanto feno i Sylange kilalaky

Raharimalala Laurence Sylvie, no tena anaran’ny tovovavy. «Sylange kilalaky», kosa eo amin’ny tontolon’ny zavakanto. Izy no vehivavy anisany nisantatra ny fiangaliana ny fihirana sy ny fandihizana ny kilalaky, mampiavaka ny Faritr’i Menabe, izay niaviany. Manana fanomezam-pahasoavana amin’ny famoronana hira sy ny fanentanana anatina fampisehoana an-tsehatra ihany koa izy. Ankoatra ny […]

Balade Mentale: hitaona ny olona hamantatra ny tenany no tanjona

Miavaka kely ny ranty atolotry ny Fondation H, ho an’ny mpitsidika azy ireo, manomboka anio. “Balade Mentale”, fampirantiana mitondra ny mpitsidika hamantatra ny tenany, amin’ny alalan’ny haikanto maro samihafa. Misokatra manomboka anio, ary tsy hifarana raha tsy ny 25 novambra 2023, ny fampirantiana “Balade Mentale” an-dRalam­boson Arilala Ophélia, mpahay kanto, […]

Asa famoronana miaro ny tontolo iainana : nahazoana landy sy akora vaovao indray ireo boatina fanafody

Miroborobo sy mi­ha mahazo va­hana eto Mada­gasikara ny fanodinana ireo fako isan-karazany. Vokatry ny fahatsapana ny fiparitahan’izany eny amin’ny toerana maro samihafa eto amin’ny No­sy, raha ny fanadihadiana natao. Anisan’ny manimba ny tontolo iainana maneran-tany betsaka indrindra ny akora plastika. Ma­haritra aman-taona maro vao potika sy levona tanteraka izany, raha […]

FANTINA sy FINTINA

“Tsy nitondra antsika ho aiza ny korontana sy ny ady”, hoy Ratsiraka Sophie, avy amin’ny Ratsirakista, omaly. Nanteriny fa efa hita ny voka-dratsin’ireo tranga niseho rehetra teo amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny isam-batan’olona. Tsy ara-dalàna ary tsy nahazoana alalana ny hetsika fidinana an-dalambe etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, araka […]