Hetsika roa samy hafa no hisy eto an-drenivohitra, anio. Andaniny, ny mpanao propagandy. Ankilany, ireo hanao amboletra hiditra ny kianjan’ny 13 mey. Na inona fitakiana, tsy tokony hatao sorona Antananarivo. Manoloana izany, nisy ny fampiantsoan’ny mpanatanteraka eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra an’ireo mpanolotsain’ ny Tanàna, omaly. Tapaka tamin’izany ny fandraisana […]
Auteur/autrice : Adnews
Miandry mahazo
Inona no havoakan’ny anio? Hafahafa ny ambana! Misary mampatahotra sy mampihoron-koditra izany. Samy miziriziry haneho ny heriny, iretsy milaza fa tsy mila fifidianana sy ny efa manao fampielezan-kevitra. Ny andaniny efa iraha-mahalala fa tsy miraharaha fitondram-panjakana mijoro sy ny lalàna fa manao izay danin’ny kibony. Ny ankilany mampibaribary ny […]
Filohan’ny Ceni, Dama Arsène : “Ento ny porofo handraisana fepetra fa aza manasoketa”
Nitondra fanazavana manoloana ireo resabe sy tsikera momba azy ny eo anivon’ny Ceni, omaly. Nambaran’ny filohany, Andrianarisedo Dama fa efa vonona amin’ny firosoana amin’ny fifidianana izy ireo. Notsiahiviny fa anisan’ny efa vita ny famaranana ny lisi-pifidianana ka maherin’ny 11 tapitrisa ireo mpifidy. Efa tonga ny bileta tokana sy ireo antontan-taratasim-pifidianana. […]
TSELATRA
Naiditra am-ponja ilay lehilahy nanolana ankizivavy 5 taona tao amin’ny fokontany Ankosy, kaominina Merimanandroso, distrikan’Ambohidratrimo, ny faran’ny herinandro teo. Napetraky ny ray aman-dreniny tao amin’ny renibeny io zaza io. Nanararaotra anefa ilay lehilahy rehefa tsy teo tampoka koa io reniben’ilay ankizivavy io. Voasambotra ny nahavanon-doza ny 22 oktobra teo ka […]
Fatim-behivavy hita tao anaty gony: fantatra ny fasana nakan’ny mpangalatra ireo razana
Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary momba ilay raharaha fahitana fatim-behivavy roa tanaty gony samihafa, ny sabotsy hariva 28 oktobra 2023, tao Ambararata, kaominina Mahatsinjo, distrikan’i Vondrozo, fantatra ny fasana nakan’ireo mpangalatra ireo razana ireo. Fasana tao Ambatolaza Ampataka, kaominina Mahatsinjo, an’ny fokonolona ao Ambatomilovoka no niavian’ ireo fatim-behivavy roa ireo. Voalaza […]




