Auteur/autrice : Adnews

Ankadilalana : tataovan-doza amin’ny vatobe mitriatra ny mponina

Mitaintaina ny mponina eny amin’ny faritra avo tataovan’ireo vatobe mandindona. Anisan’izany ny eny Ankadilalana izay ahitana izany efa manomboka mitriatra. Mifarimbona ny tomponandraikitra mitady vahaolana. Mihamitriatra ary lasa ivo­ahan’ny rano ireo vatobe mitatao ao An­ka­dilalana, araka ny tsikaritry ny mponina eny an-toerana. Manahy ny mety ho fahavakisan’io vato io ny […]

INDRAY MIJERY

Fianakaviana 1 200, ahitana olona 8 000, avy amin’ny kaominina 10 mbola voasokajy ho marefo noho ny takaitra navelan’ireo rivodoza nifanesy tao anatin’ny 2 taona, no nomena tosika ara-tsakafo milanja 29, 400 t avy amin’ny BNGRC. Manampy azy ireo ny fianakaviana 200 (1 200 olona) tratran’ny haintrano farany teo teto […]

Fifaninanana tetikasa: tanora sangany 14 nisitraka famatsiam-bola

Tanora mpitarika14 mianadahy, maintimolalin’ny fandaharanasa Yali sy Atlas Corps no nan­dresy tamin’ny fifaninanana tetikasa “Ignite Change Award” nokarakarain’ny Chapter Ma­da­gas­car, izay tarihin’ny masoivoho amerikanina. Nahazo famatsiam-bola ma­dinika hatramin’ny 2 000 dolara tsirairay avy ireo tetikasa voafantina ho tsara indrindra. Nahatratra 60 ireo mpifaninanana saingy 14 no tena mendrika notohanana. Miantefa […]

Tetikasa Fitaratra: hiady amin’ny zava-mahadomelina miteraka herisetra an-tsekoly

Nosantarina ny taona 2021 ny tetikasa “Fitaratra” miaraka amin’ny fikambanana Imaso Ivoho miady amin’ny herisetra an-tsekoly. Betsaka ny vokatra azo sy ny asa efa tontosa tao anatin’ny roa taona voalohany. “Ho an’ny taom-pianarana 2023-2024, hitodika kokoa amin’ny ady amin’ny fandraisana zava-mahadomelina miteraka herisetra any an-tsekoly eo amin’ny samy mpianatra na […]

TARATRY ny KANTO

Tsy raikitra ny “Top Gasy”. Fampisehoana goavana nokasaina hotontosaina anio, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izy ity. Noho ny toe-draharaham-pirenena no voalazan’ny mpikarakara fa nanafoanana izany. Tombanana kosa ho nanampy trotraka ny tsy fahafahan’ireo mpanakanto, izay manao fampielezan-kevitra ny ankamaroany. Saika ireo mpanakanto malaza amin’izao fotoana mantsy no nalahatry ny […]