Fototra mampiroborobo ny fizahantany ny fampiasam-bola maitso anatin’ny fiarovana ny tontolo iainana, noho izy miantoka ny fahatongavan’ny mpitsidika manodidina ireo valan-javaboahary. Fizahantany sy ny fampiasam-bola maitso, io no lohahevitra tamin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, ny sabotsy teo. Nodinihina ireo tolotra sy tetikasa […]
Auteur/autrice : Adnews
Hetsiky ny Kandidà 10 : hamaky ny kianjan’ny 13 mai indray
Notanterahina teny amin’ny Coliseum Antsonjombe, ny sabotsy lasa teo, ny «Concert Fotsy», izay nokarakarain’ireo kandidà 10. Tapaka tamin’io fotoana io, fa hamaky ny kianjan’ny 13 mai Analakely indray izy ireo, manomboka amin’ity herinandro ity. Tsy manaiky ny firotsahan’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, no tena anton’izany. “Hampiakatra ny maripanan’ny tolona […]
Ratsirahonana Lalaina : « Mila miverina amin’ Andriamanitra isika »
Sady tsy hita eny an-kianja miaraka amin’ny kandidà 10, no tsy manao fampielezan-kevitra tahaka ny laharana faha-3 sy faha-13 ary ny faha-11, Ratsirahonana Lalaina. «Miankina amin’Andriamanitra ihany ny fandaharam-potoana rehetra», hoy izy. Nisy, omaly, ny fiombonam-bavaka, niarahany tamin’ny ankolafin-kery sy vondron’olona samihafa. Hetsika nokarakarain’ny ekipa mpanohana azy, tao amin’ny hotely […]
Fifidianana filoham-pirenena: «Kandidà tanora no vahaolana», hoy ny FIF
Amin’izao fotoan’ny fampielezan-kevitra izao, vonona hanohana ny kandidà laharana fahatelo ny Firaisan-kinan’Iarivo ho an’ny fampandrosoana (FIF). Ny 16 novambra ho avy izao, hotanterahina eto Madagasikara ny fifidianana izay ho filoham-pirenena.“Kandidà tanora no vahaolana” hoy ny ny Firaisan-kinan’Iarivo ho an’ny fampandrosoana, miaraka amin’ny ben’ny Tanàna na ny FIF. Izay ivondronan’ny boriborintany […]
INDRAY MIJERY
Hotanterahina anio sy rahampitso ny fandidiana ny areti-maso katarakta ao amin’ny CHU Anosiala, karakarain’ny hopitaly sy ny Pneumo-Aide. Aretina mpahazo ny zokiolona matetika ny katarakta. Tsiahivina fa vao tamin’ny tapa-bolana no nisy ny hetsika fanalana nify maimaimpoana teny an-toerana. CSB miisa 32 ao amin’ny faritra Analanjirofo no nahazo ny anjara […]




