Maty voatifitry ny zandary, omaly maraina, Ra-Tantely, jiolahy raindahiny saika hanafika sy nanakorontana teny Ampitatafika. Mpanafika ikoizana sy mpamerin-keloka izy. Efa nanafika Cash point sy nahafaty olona iray teny an-toerana, ny taona 2023. Jiolahy iray antsoina hoe Ra-Tantely indray no lavon’ny balan’ny zandary, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 4 ora […]
Auteur/autrice : Adnews
Jiu-jitsu Brezilianina : Malagasy 10 hiatrika ny amboara maneran-tany
Efa ao anatin’ny fanomanana sahady ny fiadiana ny amboara maneran-tany amin’ ny taranja haiady Jiujitsu brezilianina hotanterahina any Dubaï, ny volana novambra ho avy izao, ny Malagasy. Mikasa ny handefa mpikatroka miisa folo ny rafitra federaly eto an-toerana, raha ny fanazavan-dRakotozafy Johary, filohan’ny Federasionina malagasin’ity taranja ity. Hanana solontena amin’ireo […]
SOMBIM-BAOVAO
Hivoaka anio, 17 septambra ao amin’ny pejin’ ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy Barean’i Madagasikara, izay hifandona amin’i Nigeria sy Tanzania, mandritra ny fifanintsanana Can 2027. Andrasana amin’io fotoana io, ny anaran’ ireo mpilalao vaovao nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra. Efa mandeha ny fampivondronana […]
Handball – Afrika «Cadets» : Mbola resin’i Tunisie indray i Madagasikara
“Resy indray…!” Mitohy hatrany ny vokatra ratsy ho an’ny ekipam-pirenena malagasy Akio, amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2026”, taranja handball, sokajy “cadets”, lehilahy, izay tontosaina any Côte d’Ivoire, hatramin’ny 22 septambra. Mbola niondrika teo anatrehan’i Tunisie, tamin’ny isa 62 no ho 20, indray ny Malagasy mpilalao, omaly, nandritra […]
Tsipy kanetibe – «Mondial 2027» : Efa nahavita ny fisoratana anarana i Madagasikara
Anisan’ireo firenena hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy, i Madagasikara. Hiditra amin’ny fampivondronana hifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena ny Fédération sport-boule malagasy (FSBM) ny volana oktobra ho avy izao. Nampahafantarin’ny Fédération sport-boule malagasy (FSBM) tao amin’ny pejin’ny tambajotran-tseraserany, ny talata lasa teo, fa […]





