Auteur/autrice : Adnews

Oniversiten’i Barikadimy: Matotra ny fiaraha-miasa amin’ i Etazonia

Tonga nitsidika ny oniversiten’i Barikadimy, Toamasina, ary noraisin’ny filohan’ny oniversite, Dr Razanakolona Diny, niaraka tamin’ny filoha lefitra misahana ny fifandraisana ivelany ny mpandrindra ny foibe Anglisy Corner anivon’ny oniversiten’i Barikadimy sy ny mpanolotsaina misahana ny serasera sy kolotsaina anivon’ ny masoivohon’ i Etazonia eto Madagasikara, Ryan.J Peseckas, ny herinandro lasa […]

Fikorontanana eo amin’ny atidohan’ny zaza: Ilaina ny fitsirihan’ny manam-pahaizana mialoha

Mbola mahazo vahana eto amintsika ny hevi-draikitra mivoy fa vokatry ny ozona ary aretina mahamenatra ny toe-tena autisme sy ny fahasamihafan’ny fiasan’ny atidoha. Vokany, voahilikilika ma­tetika ny fianakaviana manana ankohonana autiste nefa endrika hise­hoan’ny fahasamihafana amin’ny samy olombelona ihany ireo. Izay no nitarika ny fikambanana Mouvement pour la différence hanao […]

VAOVAO TAMBATRA

Ambony ny ambana amin’ny afo any amin’ny faritra miisa 10 (Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Betsiboka, Boeny, Diana, Matsiatra Ambony, Melaky, Menabe, Sofia). Izany hoe, ireo faritra any amin’ny tapany avaratra, andrefana, atsimo ary ny afovoany atsimo no ahitana izany. Milamina kosa amin’ny ankapobeny ny atsinanana sy ampahany amin’ny atsimo andrefana. […]

Fanadihadiana lalina : Tanora 15 nahavita fiofanana

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ireo tanora 15 avy amin’ny faritra manerana ny Nosy niofana momba ny fanatsikafonana. Fiofanana naharitra telo volana, nokarakarain’ny ONG Malina, hampianarana sy hizarana traikefa amin’ireo tanora liana sy efa misehatra amin’ny asa fanaovan-gazety. Tao anatin’izay fotoana izay, nandalina sy nianatra ary niofanana momba ny tontolon’ny […]

GFEM: Manana faharetana ny vehivavy mpandraharaha

Mitohy ny fankalazan’ny Vondron’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM) ny faha-10 taona nijoroany. Efa natombony tamin’ny hetsika teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny marsa 2026, ny fankalazana. Mana­tanteraka kongresy nasionaly indray ny fikambanana, anio 17 sy rahampitso 18 septambra, etsy amin’ny hotely Delta Antananarivo. Anisan’ny mpanohana ity kongresy ity ny Airtel, […]