Nanomboka ny talata teo ary hifarana ny zoma ho avy izao ny hetsika fanaovam-baksiny faobe miaro amin’ny aretina lefakozatra sady ady amin’ny aretina azo avy amin’ny tay miparitaka. Natokana ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny 15 taona indray ny vaksiny amin’ity andiany ity. Voakasika avokoa ny faritra 23 ary nisy […]
Auteur/autrice : Adnews
Lycée sy CEG : Amerikanina roa hampianatra teny anglisy
Hiantsehatra eo amin’ny sehatry ny fampianarana eto Madagasikara, ireo mpampianatra teny anglisy mianadahy misitraka ny vatsim-pianarana “Fullbright”, antsoina koa hoe ETA. Manaraka fiofanana maharitra efatra andro ao amin’ny masoivoho amerikanina ireto ETA vao tonga ireto mialohan’ny hanombohany ny fampianarana teny anglisy eny anivon’ireo sekoly ambaratonga fototra sy lisea eto Antananarivo […]
Toerana saro-dalana : nanavotra vehivavy 1,4 tapitrisa ny fampiasana “drone”
Natao, omaly, teny Alarobia, ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny UNFPA, ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka, ny BNGRC ary ny ONG Pivot hanitarana ny fanaterana fanafody amin’ny alalan’ny “drone” ho an’ny faritra dimy. Tao anatin’ny fito volana nampiasana “drone” hanaterana ny fanafody amin’ny toerana tena saro-dalana. Vehivavy 1,4 […]
TARATRY ny KANTO
« Ohabolana, kolo saina ho an’ny ankizy ». Tontosa omaly ny atrikasa vaky boky notontosain’ny mpanoratra Andrianimerina Hobiana. Nandritra izany ihany koa no nampahafantarany ny boky “Ohabolana, kolo saina ho an’ny ankizy”. Hitohy anio, eny amin’ny trano famakiam-bokin’ny boriborintany faharoa, eny Morarano, ity atrikasa ity. “Hay”. Anjaran’ny ankizy mpianatra ao amin’ny EPP […]
« Nofy Maitso” andiany faharoa : mpahay kanto maro mandray anjara
Tontosaina mandritra ity herinandro ity, ao Toamasina renivohitra, ny fifaninana « Nofy Maitso », andiany faharoa. Hetsika ara-javakanto maro samihafa no ho hita manditra ny hetsika. Anisan’ izany ny fifaninanana “Slam Poèsie” sy ny fampisehoana ataon’ny mpahay kanto, mpihira, malaza avy amin’iny faritra iny. “Andao hiaraka hanonofy, andao hiaraka hanatanteraka”, hoy ny teny manentana […]




