“Baikon’ny prefet no tanterahanay mba ho fanajana ny lalàna”, hoy ny avy amin’ny Emmo/Nat. “Tsy manaiky famoretana izahay”, hoy kosa ny kandidà 11. Mitohy kosa ny fanelanelanana ataon’ny FFKM. Nitorajofo ny entona manempotra teny Ankazomanga sy Antanimena, afakomaly. Dimy ireo voasambotra ary enina naratra: ny kandidà laharana fahadimy, Ravalomanana Marc […]
Auteur/autrice : Adnews
Voaroba ny vola 4 hetsy Ar : raim-pianakaviana maty voatifitra teo ambony tafo
Namoy ny ainy voatifitry ny jiolahy ny raim-pianakaviana iray tao Ambasatrana, Betagnatagna, faritra Melaky, ny alin’ny 4 oktobra lasa teo. Nitondra fitaovam-piadiana, niditra an-keriny tao amin’ny trano fonenan’io lehilahy io ireo olon-dratsy. Nahatsikaritra ny fisian’ireto farany, niakatra niafina tao ambony tafo ny tompon-trano. Norobain’ny jiolahy ny vola nitetina 400 000 […]
TSELATRA
Tovolahy 14 taona maty vokatry ny fipoahan’ ny basy nolalaoviny tao Andasibe Moramanga, ny alakamisy tolakandro teo. Nisavasava tao an-trano ka nahita basy poleta izy mirahalahy. Niara-nilalao izany ireto farany kinanjo voatifitra tampoka ny kibon’ny iray. Nitarika tamin’ny famoizana aina izany. Vehivavy iray naratra mafy voadaroka teny Tanjombato, ny harivan’ny […]
Fivarotana « Rôrô »: fito mianadahy notanana eny Antanimora
Hivoaka ny 3 novambra izao ny didim-pitsarana ho an’ireo fito miandahy nigadra noho ny fivarotana héroïne tetsy 67 Ha. Lehilahy telo ary vehivavy efatra notanana am-ponja eny Antanimora, ny zoma 6 oktobra teo. Taorian’ny fitsarana azy ireo teny amin’ny fitsarana Anosy, mbola nitohy ny fihazonana am-ponja ireto voalaza ho mpivarotra […]




