Mahatratra 320 t ny tahirim-bary akotry ao Maintirano amin’izao fotoana izao. 4000 gony amin’ireo 80 kg ny vokatra ka feno ny trano fitehirizam-bary akotry any amin’ireo fitotoam-bary ao an-toerana. Mbola voatazona ho 680 Ar ka hatramin’ny 700Ar kosa ny kapoakan’ny vary gasy, izany hoe 2 380Ar ny iray kg. Hadihadiana […]
Auteur/autrice : Adnews
Toam’ketrika : antoka ho an’ny fampandrosoana
Tratra ny tanjona tamin’ny fikarakarana ny hetsika “Toam’ ketrika” andiany fahefatra, tao Toamasina, ny herinandro teo. Maro ireo vokatra malagasy nampirantiana nandritra ny telo andro nanaovana ny foara. Miisa 135 ny mpandray anjara, tao ireo nampiranty ny famadihana ny vokatra lavanila izay nahazo tohana tamin’ ny alalan’ny Sampandraharaha Amerikana misahana […]
Atsimo Atsinanana : hamokatra kafe 11 t isan-taona
Hamerina indray ny kalitaon’ny kafe ao amin’ny distrikan’i Vangaindrano sy hampiakatra ny rojom-pihariana ary hanome lanja ny famokarana ka hampitombo ny taham-bokatra ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Ireo no tanjona napetraky ny fandaharanasa DEFIS izay vatsian’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena ho fampiroboroboana ny fambolena (FIDA) tamin’ny fanorenana ny toeram-panangonana sy mpanodina kafe […]
Banky iraisam-pirenena : hihena ho 2,5% ny fitomboan-karena aty Afrika amin’ity taona ity
Namoaka tatitra ny Banky iraisam-pirenena, ny 4 oktobra teo, fa manjavozavo ny vinavina fitomboan-karena aty Afrika amin’ity taona 2023 ity. Anisan’ny antony ny tsy fisian’ny toekarena marin-toerana, miampy ny zava-misy maneran-tany, miantraika aty Afrika. Taorian’ny tranga Covid-19, efa niarina kely ny toekarena aty Afrika, nahatratra 3,6% ny salanisan’ ny fitomboan-karena. […]
Pr Razafiarivony Michel : « Manan-danja ny kolontsaina… »
Tontosa, omaly, teny amin’ny Musée d’Art d’Archéologie Isoraka, ny valandresaka nampitondraina ny lohateny hoe « Kolontsaina mialoha fandrosoana ». Tanjon’ny mpikarakara ny hampahafantatra ny lanjan’ny kolontsaina eo amin’ny fandrosoan’ny firenena. « Ireo hetsika sy fomba ary fanao rehetra mikolo ny saina no atao hoe Kolontsaina, ary manana io kolontsaina io avokoa ny firenena […]




