Nivoaka amin’ny fanginany ny antoko Harena, tarihin’i Lezava Fleurys. Nambarany fa tokony samy hampandefitra ny hambompony manoloana izao toe-draharaha izao. “Aoka isika hametraka hatrany ilay fihavanana ka hitandro ny fiandrianam-pirenena… Tsy midika ho faharesena na fahalemena akory ny fifampiresahana”, hoy izy, omaly. Niaiky ny Harena fa betsaka ny tsy fahatomombanana […]
Auteur/autrice : Adnews
Zakahely Boniface : “Maika ny fikaonandoha…”
Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena, ny depiote teo aloha, i Zakahely Boniface. Tsy mankasitraka ny fifanarahana politika ny tenany raha hikaroka vahaolana manoloana ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ny mpanao politika amin’izao fotoana izao. “Tsy misy afa-tsy ny fikaonandoham-pirenena anatin’ny fotoana fohy, hanovana ny Lalàmpanorenana mampifanditra antsika sy niteraka korontana […]
Ceni: “Aoka tsy hisy fihantsiana ny fanehoan-kevitra”
Niditra amin’ny andiany fahefatra ny fikaonandoha nokarakarain’ny Ceni hiatrehana ny fifidianana. Tsy nipoitra ny avy amin’ireo kandidà 11… “Ny hany takinay: mba hatao ao anatin’ny fifanajana sy lavitry ny fihantsiana sy fifandranitana ny fanehoan-kevitra, ary atao ao anatin’ny fanajana ny lalàmpanorenana sy ny lalàna ary ny fifanarahana iraisam-pirenena nankatoavina”. Io […]
Christine Jaulmes: solontena vaovaon’ny Unicef eto Madagasikara
Nitondra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara teny amin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Yvette Sylla, omaly, ny solontena vaovaon’ny Unicef, Christine Jaulmes. Nandritra ny fihaonana, mbola nanamafy ny fanohanany ny fanjakana malagasy amin’ny fampivoarana ny zon’ny ankizy rehetra sy ny fanatsarana ny fiainan’ny marefo ity tomponandraikitra ity. Nomarihiny koa fa […]
Haintrano tao Vohipeno: nitondra fanampiana ny BNGRC
Tokantrano 292 ahitana olona 1 400 mahery no traboina tampoka sy tsy manan-kialofana vokatry ny firehetan’ny tranon’izy ireo. Antony, ny fidinana an-dalambe nataon’ny vahoakan’i Vohipeno nanerena ny mpitandro ny filaminana hamoaka ilay lehilahy voalaza fa namono ny sakaizany. Tsy nijery ny anton’ny fahamaizana ny fitondram-panjakana fa nidina avy hatrany tany […]




