Voasambotry ny polisin’ny SAG teny Ampefiloha, afakomaly alina, ireo jiolahy roa raindahiny amin’ny fanendahana. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy no nahatrarana ireto jiolahy ireto. Nampiahiahy ny fihetsik’ireto jiolahy ka niroso tamin’ny fisavana azy roa lahy avy hatrany ny polisy. Tratra tany amin’izy ireo ny antsy maranitra fampiasan’izy ireo. Nentina nihazo […]
Auteur/autrice : Adnews
Toamasina: tratra teo am-pangalarana moto i Juvet
Tratra teo am-panosehana moto halatra teo anoloan’ny Lapan’ny faritra Atsinanana Razafiarison Juvet Gerard, 30 taona. Mipetraka ao amin’ny fokontany Mangarivotra Parisela 21/52 ity jiolahy ity sady miasa amina orinasam-piambenana tsy miankina iray. Lasa nihazo an’i Vatomandry avokoa ny mpiasa eo anivon’ny faritra ka somary mangingina teo an-toerana. Moto an’ny talen’ny […]
Raharaha politika : nofoanana ilay « couvre feu »
Ora vitsy taorian’ny namoahan’ny prefektiora fa tsy azo ivezivezena amin’ny alina eto Antananarivo dia nofoanana indray izany. Homena ny Colesium, Antsonjombe ny mpanao fihetsiketsehana. Mihazakazaka ny raharaham-pirenena. Mihenjan-droa ny tady amin’ny ankolafin-kery politika. Andaniny, mikiry ny hanao tatitra eny amin’ny Kianjan’ny 13 mai, anio, ny solombavambahoaka. Tsy manaiky ny fanomezan-dalana […]




