Mandalo eto an-tanindrazana indray i Eric, amin’izao fotoana izao. Hiaka-tsehatra miaraka amin’ireo namany mandrafitra ny tarika Tselatra izy anio, etsy amin’ny tokotany malalaky ny PK 0 Soarano. Hanomboka amin’ny 4 ora sy sasany ny seho. Eo avokoa ny mpikambana ahitana an’i Poon, Zozo, Papatre, Tita ary Tovo amin’io. Hitohy amin’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Fanohanana ny zavakanto: nahazo ivontoerana Tosik’Art i Sambava
Ivontoeram-pikotrehana orinasa misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina na “Centre d’incubation en entreupreunariat culturel et industria créative” ny Tosik’Art. Nahazo fotodrafitrasa vaovao handray izany ny ao Sambava, izay notokanana ny alakamisy lasa teo. Ivontoerana hampiofanana ireo tanora manana vina famoronana eo amin’ny sehatry ny zavakanto sy ny kolontsaina izy ity, […]
Fitiavana miredareda: hivoaka ny boky « Eo imolotrao »
Fitiavana ! Tsy noresahin’ny Malagasy loatra fahiny… Tsy ho ela, hamoaka ny mety ho endrik’io fitiavana io amin’ny fotoana mampiredareda azy ny mpanoratra roa : Andriamady Ny Aro na Ny Aro Kely sy Ny Anjaniaina Harimanantsoa Zo Nanouchah na Zo Nanouchah eo amin’ny tontolon’ny asa soratra. Hivoaka ny sabotsy 14 oktobra ho […]
« Festival du Rire Jôkôsô »: hivelatra hatrany ny hetsika
“Haikanto ary tena kolontsaina tokoa ny hatsikana” hoy Ralijaona Mamy, tomponandraikitry ny « Festival du Rire Jôkôsô ». Ao anatin’ny hetsika hanatrarana ny vina, ny amin’ny fampivelarana ny hatsikana malagasy izy ireo amin’ izao, ary anisan’izany ny « Festival du Rire Jôkôsô ». Tanterahina ny 11 hatramin’ny 14 oktobra 2023, eny amin’ireo ivontoerana maro […]
Seha-pihariana : fiompiana karazam-biby hafakely sy miala amin’ny mahazatra
Seha-pihariana iray mahaliana sy mahasarika olona maro ny fiompiana sy fambolena eto Madagasikara. Anisan’izany ny fiompiana ireo biby miaina anaty ala sy miala amin’ny mahazatra. Asa mila fikirizana sy fitiavana ny fiompiana. Mitaky asa 24 /24 ora, ary 7/7 ny asa, izany hoe, na andro na alina. Tsy maintsy eo […]




