Auteur/autrice : Adnews

Iboaka : tafapetraka ny orinasa hanodina ronono 3 000 l

Anisan’ireo toerana 37 nisitraka ny orinasa madinika ny tanànan’Iboaka, faritra Matsiatra ambony, hanampiana ny tantsaha ao an-toerana sy hanatsarana ny fidiram-bolany. Hanodina ronono hatramin’ny 3 000 l isan’andro ity orinasa ity. Hividy ny ronono vokarin’ireo mpiompy izay tsy lafo izy mba hitazomana ny vidiny eny ifotony. Antony nametrahana izao fotodrafitrasa […]

Maty momoka!

  Misary ho maty momoka ny hetsiky ny kandida 11 mi­rahalahy. Mangingina sy variana amin’ny ady hevitra diso toerana ny rehetra. Andaniny, voizina mafy ankehitriny ny resaka karazan-daisoa. Politika anefa no lalaovina fa tsy fifaninana mahandro. Toa mivadika fanabarabarana ny vahoaka malagasy, miandrandra fitoniana ny resaka. Sanatria mandatsa aman-kanina ireto […]

Orinasa ETG any Toamasina : hamokatra zezika 36 000 t isan-taona

Mitsangana any Toamasina ny ozinina mpamokatra zezika, entina hampiakarana ny vokatry ny fambolena. Tanjona ny hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara. Notokanana ny 3 oktobra teo, ny ozinina mpamokatra zezika any Ana­lamalotra Toamasina. Tan­teraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny orinasa ETG Inputs Madagasikara Sarl sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana […]

Fisandohana andraikitra: namoahana didy fisamborana ny mpanolotsaina ny Seg

Nivoaka ny didy fisamborana ilay teratany belza, Mir­gaux David, mpanolotsaina teknika ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (Seg), taorian’ ny fametrahan’olon-tsotra fitoriana teny anivon’ny fampanoavana ao Toamasina. Ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ihany no hanatanteraka izany ka aorian’ny famotorana, tsy maintsy hatolotra ny fampanoavana ny raharaha. Trangan-javatra maromaro no votoatin’ny fiampangana azy. […]

TSELATRA

Voasambotry ny polisy ilay renim-pianaka­viana namono nahafaty an-janany tao Manga­rivotra, kaominina Antsiranana, afakomaly. Nandaka vilany tampoka io zanany lahy io ka novonoin-dramatoa reniny. Nasesiny tany anaty lavadrano ny fatin-janany ka tsikaritry ny manodidina izany. Mpandeha telo namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana tany amin’ny RN6 mampitohy an’Antsiranana, ny 2 oktobra […]