Miditra amin’ny andro faha-18 ny ady ifanandrinan’i Iran amin’i Etazonia sy Israely. Miantraika mivantana any amin’ny vidin-tsolika izany ary tsy maintsy hipaka aty Madagasikara. Tsy mitsaha-midangana! Niakatra 30% ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, tato anatin’ ny 18 andro nipoahan’ny ady any Moyen Orient, ifandonan’i Iran amin’i Etazonia sy Israely. […]
Auteur/autrice : Adnews
TSELATRA
Zazakely iray vao teraka hitan’ny fokonolonanisy nametraka teo amoron-dalana tany Avaratsena Mahitsy, omaly maraina. Mbola velona soa aman-tsara ilay zaza ary mbola salama ihany koa. Notazomina sy nokarakaraina ao amin’ny fikambanan-dry masera iray eny an-toerana ilay zaza taorian’izay. Efa mitohy ny fikarohana ny ray aman-dreniny ataon’ny tomponandraikitra. Lehilahy iray nisoloky […]
Saika handroba ny masoivoho sinoa : Dimy lahy voasambotry ny polisy
Voasambotry ny ekipan’ny polisim-pirenena avy eo anivon’ny CSP8 Analamahitsy teny amin’ny faritra Ivandry, boriborintany fahadimy, ny sabotsy 14 marsa teo, ny dimy lahy. Anisan’ireo nikasa hiditra antsokosoko tao amin’ny masoivohon’i Chine, eny Nanisana, izy ireo. Nisy andian’ olona nikasa hiditra tao amin’ io toerana io, ny alin’ny zoma 13 marsa […]
Moto nidona tamin’ny sisin-dalana: Miaramila iray namoy ny ainy tetsy Soanierana
Miaramila iray matin’ny lo¬zam-pifamoivoizana tamin’ny fitondrana moto, tetsy Soanierana, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 3 ora tany ho any. Naratra mafy ary efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha kosa ny vehivavy iray niaraka taminy. Lehilahy iray efa tsy nisy aina intsony sy nitsirara tamin’ny tany no hitan’ny olona […]
Bemasoandro Itaosy: Roa lahy niara-maty navadiky ny lakana
Nitaingin-dakana haka trondro, namoy ny ainy rehefa natelin’ny ranon’Ikopa ny lehilahy miisa roa tao amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy, ny alin’ny alahady 15 marsa teo. Navadiky ny lakana fampiasany andavanandro hitadiavam-bola, namoy ny ainy ireo roa lahy mpiara-miasa teny Andranovaky-Ampasika, fokontany Anosimasina, kaominina Bemasoandro Itaosy, distrikan’Atsimondrano, ny alin’ny alahady 15 marsa […]




