Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

Mitohy ny fanohanana ny vahoakan’i Toamasina taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. Ankoatra ny fizarana sakafo tsy misy fiatoana, efa niverina ny fizarana lelavola sy ny asa atakalo vola amin’izao fotoana izao. Araka ny masontsivana apetrak’ireo mpamatsy vola, laharam-pahamehana ireo zokiolona marefo, sembana ara-batana, ireo olona manana aretina, ireo tokantena, ireo mitaiza […]

Toe-piainan’ny ankohonana : Niofana tany Antsirabe ny mpanao gazety

Niofana nandritra ny hateloana, niaraka amin’ny teknisianin’ny Ivontoerana nasionaly mikirakira ny antontanisa (Instat), tany Antsirabe, ny mpanao gazety miisa 24 avy amin’ny sehatra haino vaky jery ary ana habaka. Tanjona ny hahafantaran’izy ireo ny fizotry ny dinika momba ny toe-piainan’ny ankohonana (Mics 2024-2025 Madaga­sikara). Eo koa ny rafitra fiaraha-miasa sy […]

Fahasalamam-bahoaka : Tafapetraka ny vato fototry ny fanavaozana

Nanao tombana ny efa-bolana niasan’ny minisitra teo aloha ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tombanana ho tafapetraka ny vato fototry ny fanavaozana amin’ny ezaka vita teo amin’ny fanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana. Anisan’izany ny famaliana ny fangatahan’ny mpiasan’ny Fahasalamana nandritra ny tolona, toy ny fampisitrahana ny tambin-karama isan-karazany. Teo koa ny famahana ny olana […]

Fampitsaharana ara-medikaly ny vohoka: Tsy voaaron’ny lalàna ireo doko­tera sy mpiasan’ny Fahasalamana

Maro ny vehivavy manana fahasarotana rehefa mitondra vohoka ka tonga amin’ny tsy maintsy hampitsaharana izany mihitsy ho fiarovana ny ainy. Mahatsiaro tena ho tsy voaaron’ny lalàna nefa ny dokotera manao ny asany. Mbola enjehin’ny lalàna eto Madagasikara ny tranga fanalan-jaza. Misy anefa ny vonjy aina mitaky maika ny fampitsaharana ara-medikaly […]

TARATRY ny KANTO

Andro maneran-tany ho an’ny angano sy ny Poezia, hankalazaina any Amoron’i Mania. Hisy ny hetsika izay hotontosaina ao Antamponivinany Ambositra, ny 21 marsa izao, amin’ny 9 ora maraina. Sady tafiditra amin’ny fanamarihana ny faha-10 taona nijoroan’ny Faribolana Sandratra any an-toerana izany ka hanasana ireo mpisehatra amin’ny literatiora sy ireo mpianatra […]