Miisa 15 ny orinasa maniry hanondrana volamena. Nametraka antontan-taratasy mangataka fahazoan-dalana ny 9 amin’izy ireo, teny amin’ny Antokon-draharaha nasionaly lalam-pihariana volamena (Anor). Amin’ ny alalan’ny didim-pitondrana no hamoahana ny fahazoan-dalana mifandraika amin’ny Tsenan’ny volamena. Handray anjara amin’ny fihaonana an-tampony ny Tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD) i Madagasikara. Hatao any New York […]
Auteur/autrice : Adnews
Ranomasimbe Indianina: fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina
Atao eto Madagasikara, omaly 11 sy anio 12 septambra, ny fivoriana iraisam-pirenena mikasika ny tontolo an-dranomasina aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Fotoana entina hankatoavana ny fitantanana manontolo ny morontsiraka (GIZC). Mandray anjara amin’ity fivoriana ity i Tanzania, Afrika Atsimo, Mozambika, Somalia, Kenya, Kaomoro, Frantsa (La Réunion), Maorisy, Seychelles, Madagasikara ary ny […]
Fahavitan-tena ara-tsakafo: hojerena ny paikady laharam-pahamehana
Dinihina ny paikady vaovao hanatsarana ny lafiny ara-tsakafo eto amintsika sy maneran-tany. Karohina ny laharam-pahamehana ho tanterahin’ny mpisehatra voakasika avy. Nanome toromarika ny Rafitry ny Firenena mikambana ara-tsakafo (SNUA), ny taona 2021, fa mila mamorona paikady sy rafitra vaovao mikasika ny sakafo maneran-tany. Natao teto Antananarivo, omaly, ny atrikasa fakan-kevitra […]
TARATRY ny KANTO
« Lecture en rire ». Anjaran’ny eny amin’ny boriborintany fahatelo, Antaninandro, indray no handray ny hetsika “Lecture en rire”, rahampitso. Hetsika karakarain’ny CUA, amin’ny alalan’ny DACVC, sy ny fikambanana mpanao hatsikana sahala amin’ny Be Tige sy Gasy Stand Uppers. Fanentanana ny olona, indrindra ny ankizy sy tanora, no tanjona amin’ny hetsika toa […]
Fomba amam-panao : mihena ny isan’ny Malagasy manao ny famadihan-drazana
Fomba amam-panao, tanterahin’ny Malagasy avy eto afovoantany, ao anatin’ny vanim-potoana maintany sahala amin’izao ary telo taona aorian’ny nahafatesan’ny olona iray, farafahakeliny ny famadihan-drazana. Araka ny antotanisa eo anivon’ny tomponandraikitry ny kaominina maromaro anefa, miha mihena isan-taona ny Malagasy manao ity fomban-drazana ity. Mihena isan-taona, araka izany, ny isan’ireo manao fangatahana hanao […]




