“Ireo olona omena toerana matetika manondrana. Tsy tompon’andraikitra amin’ny hadalan’ny hafa ny filoham-pirenena. Aleo hihatra aminy ny lalàna”, hoy ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, ny alatsinainy teo, raha nilaza ny heviny mahakasika ny raharaha Randrianarisoa Romy. Ireo olona noheverina fa hanavotra ny firenena sy hanampy ny filoha no mamoa-tsampona […]
Auteur/autrice : Adnews
Andrianarisoa Romiary : nesorina tsy ho talen’ny kabinetran’ny Presidansa
Enim-bolana taorian’ny nanendrena azy ho talen’ny kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika, nesorina i Andrianarisoa Romiary. Fikasana hanao kolikoly no antony. Vita hatreo ny ny fiaraha-miasa amin’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny talen’ny kabinetra, Andrianarisoa Romiary. Dimy andro taorian’ny nisamboran’ny mpanao famotorana anglisy azy tany Londres, nilatsaka ny didy fanafoanana ny fanendrena. […]
VAOVAO TAMBATRA
Nametrahana jiro cobra eny Ankorondrano sy eny amin’ny village Voara Andohatapenaka, entina hanazavana ny lalana hivezivezen’ny rehetra, indrindra amin’ny alina.. Maro anefa ireo faritra niharan’ny fahatapahan’ny herinaratra, omaly. Betsaka ireo mpiara-monina nitondra faisana indray amin’ny hafitsoky ny orinasa Jirama. Kaoperativa amina kaominina 13 avy ao Bongolava no notolorana zezika «sulfate […]
Savonnerie Tropicale : nodimandry Ramaroson André
Misaona ny tontolon’ny indostria malagasy. Nodimandry ny alatsinainy lasa teo, teo amin’ny faha-86 taonany ny filoha tale jeneralin’ny orinasa “savonnerie tropicale”, Ramaroson André. Tsy zoviana amin’ny rehetra ny anaran’ity mpandraharaha ity. Mpamaky lay amin’ny fananganana orinasa mpanao savony teto Madagasikara izy. Mpandraharaha niady hatrany ho an’ny fampandrosoana ny orinasa malagasy. […]
Fampandrosoana lovain-jafy : tranon’ny diplaomasia maitso
Miara-miasa ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (Medd), sy ny Vondrona eoropeanina (UE), amin’ny alalan’ny fandaharanasa « Rindra », ao anatin’ny Fed andiany faha-11. Entina hiarovana ny tontolo iainana sy ahafahana miatrika ny fiovan’ny toetr’andro ny fiaraha-miasa. Manana tanjona hametrahana fandrindran’asa hisian’ny fampandrosoana lovain-jafy ny minisitera. Hanatanterahana izany ny tohana […]




