Hanao fivoriana sy fitokonana eny amin’ny Esplanade Ankatso ny mpampianatra mpikaroka ao amin’ny sendikà, rahampitso. Hijery ny tohin’ny hetsika fitakiana samihafa izy ireo. Mitsahatra ny fampianarana eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, miandry ny famitana ny taom-pianarana 2022-2023. Mahatratra 15 000 ireo tokantrano misitraka ny “Ankohonana Miatrika” ao Antsiranana. Vola 250 000Ar isan-tokantrano […]
Auteur/autrice : Adnews
Faritra Anosy : nohamafisina ny fahaiza-manao momba ireo sehatra asa tekinika
Nikarakara fampiofanana ireo sehatra asa tekinika sivy ny Tekfutura. Nampahafantarina ny herinandro lasa teo, tany amin’ny faritra Anosy, ny antontan-kevitra enti- manofana momba izany. Notanterahina teny amin’ny misinitry ny varotra sy ny indostria tany Taolagnaro ny lanonana ofisialy. Tafiditra ao anatin’ny tondrozotra sy dingana hampivelarana ny sehatra asa teknika eto […]
Covid-19 any Frantsa : misy sokajy vaovao « Eris » voatily
Misy karazana Covid-19 vaovao antsoina hoe « Eris » any Frantsa, voatily tamin’ny 34% amin’ireo olona vaovao voamarina fa mitondra ny tsimokaretina any an-toerana. Avy amin’ny Omicron ihany izy ity ary mora mifindra sy miova, araka ny vaovao. Tsy mahomby 100% koa ny vaksiny efa natao hiarovana amin’ity tsimokaretina ity na manana […]
Tetikasa tafita : hiditra amin’ny andiany fahatelo
Nitondra vokatra miabo ho an’ny fanabeazana fototra ny fampiharana ny tetikasa “Tafita” tao anatin’ny taona maromaro. Hiditra amin’ny andiany fahatelo izany, ankehitriny. Nanomboka ny taona 2016 ny tetikasa “Tafita”, andiany voalohany, teto Madagasikara. Efa andalam-pamaranana kosa ny tetikasa andiany faharoa amin’izao fotoana izao. Tanjona ny hampandrosoana ny fanabeazana eny ifotony […]
TARATRY ny KANTO
Manaraka fitsaboana i Fanaiky. Tsy nandray anjara tamin’ny “Jazz @ Tohatohabato izy, noho ny antony ara-pahasalamana. Nahatsiaro azy kosa anefa ny fianakaviamben’ny jazz sy ireo mpankafy mozika rehetra ny alahady teo, tetsy Analakely. Nisy ny fitia tsy mba hetra nifanentanana, hanampiana ity mpanakanto ity amin’ny fitsaboana arahiny. Nomem-boninahitra i Bivy. […]




