Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Ivotoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola, ny fampirantiana « Mitodiha anie e! », karakarain’ny fikambanana Varatava. Nisy ny fampahafantarana ny mahakasika ny sary miranty, nataon’ny mpahay kanto nanao azy, nandritra izany lanonana fanokafana izany. Sary maro samihafa, nataon’ny mpikambana ao anatin’ity fikambanana ity no […]
Auteur/autrice : Adnews
Fampandrosoana: mila manana arsiva ny sehatra tsirairay
Tahiry taratasy maro. Mety nifandraisana taman’olon-kafa, mety natao teo amin’ny sehatry ny raharaham-panjakana ihany koa. Arsiva avokoa ireny. Fitaovana ilaina amin’ny fampandrosoana. Afaka manangona ireo taratasy heveriny fa ilaina sy tokony hotahirizina ny tsirairay. Na tsy ho azy (ho an’ilay nanangona) mivantana aza, ahafahan’ny taranaka any aoriana mijery sy mamantatra […]
Kaominina ambanivohitra Sahamatevina : « 511 925 939 Ariary ny fatiantoka », hoy ny ben’ny Tanàna
Kaominina iray mivelona sy mamelona ary manao fotodrafitrasa ho an’ny vahoaka ao aminy ny kaominina ambanivohitra Sahamatevina. Iray amin’ ireo kaominina 21 anatin’ny disitrikan’i Vatomandry, faritra Atsinanana izy. Fidiram-bola mivantana sy ngeza ho an’ny kaominina ambanivohitra Sahamatevina ny tamberim-bidy avy amin’ny orinasa mitrandraka grafita ao Marovintsy. Nitsangana sy nitrandraka harena […]
FANTINA sy FINTINA
Nihazo ny any Fianarantsoa ireo mpanao politika. Mitety ireo distrika maromaro any an-toerana ny Tim. Efa any an-toerana koa ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina sy ny depiote Siteny . Nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo izany. Any Farafangana ny HVM, tany Vohiposa ny Tim. Hihazo ny any Ambositra kosa ny Mihava […]
Depiote Andriamampandry Todisoa : “Fampiakarana ny fahefa-mividy no hatao”
“Fampiakarana ny fahefa-mividin’ny olona no tokony hatao amin’izao fotoana izao. Eo koa ny fametrahana politika momba ny asa maharitra. Tsy misy izao ny asa. Be dia be ny tsy an’asa. Na miasa aza ny olona, kely sy tsy mahavelona ny karama”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote Tim voafidy tao Antananarivo […]




