Auteur/autrice : Adnews

Misy ny tsirim-panantenana !

  Manimanitra fety aman-danonana ny tanàna. Ma­nom­bo­ka miranty tsikelikely eto an-drenivohitra ny saina sy ny ra­vaka isan-karazany momba ny lalaon’ny Nosy. Efa anatin’ zny fanomanan-tena ny mpilalao sy ny mpiahy ary ny mpanohana. Ny firenena mandray anjara ihany koa efa nanasonia ny fandraisany anjara sy ny ho fahatongavan’ny mpikatroka eto […]

Fihaonambem-pirenena: maka bahana hampihaona ny mpanao politika ny FFKM

Efa mamaramparana ny fihaonambem-paritra ny eo anivon’ny FFKM amin’izao fotoana izao. Eo am-piketrehana ny fifampidinihan’ny mpanao politika izy ireo izao, amin’ilay fihaonambem-pirenena. Mamarana ny fihaonambem-paritra any Main­ti­rano, ny 4 sy 5 aogositra izao, ny eo anivon’ny FFKM amin’izao fotoana izao, araka ny nambaran’ny loharanom-baovao iray. Samy nahavita izany ireo faritany […]

TSELATRA

Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fonja Ambatondrazaka, omaly alina. Fokonolona avy ao Mangalaza no nitarika ny fanafihana. Nitaky ny hamotsorana ny namany voasaringotra tamina raharaha fitsaram-bahoaka izy ireo. Nifehy ny toe-draharaha ny mpiandry fonja sy ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Olona 13 nidoboka ao amin’ny fonjan’Antani­mora, voarohirohy tamin’ny raharaha fiparitahan’ny […]

Ambohimangakely : mpitondra moto maty voadonan’ny taxi-be

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, PK 11+800, Andranomandry, fokontany Ambohitrombihavana, kaominina Ambanivohitra Ambo­hi­mangakely, distrika Antana­narivo Avaradrano, omaly tamin’ny 10 ora sy 15 minitra. Maty tsy tra-drano vokatr’izany ny mpitondra moto iray. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary, notarihin’ny lehiben’ny tobim-paritra nanao ny fitsirihana rehetra, vantany vao naharay ny […]

Ampasanimalo : raim-pianakaviana maty nananton-tena

Lehilahy 23 taona, maty nihantona tao amin’ny trano fonenany tao Ambodimanga, fokontany  Ampasanimalo, boriborintany faharoa, omaly. Niala maraina handeha hiasa no nialany tao an-trano.  Niverina tampoka anefa izy. Nifanandrify tamin’io fotoana io, tsy tao an-tokantrano ny vadiny sy ilay zanany. Talanjona ilay renim-pianakaviana nahita ny trano nisokatra. Niditra, vatan’ny rain-janany […]