Notanterahina omaly, tao amin’ny foiben’ny Produir, etsy Manakambahiny, ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ireo fitaovana ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny kaominina Bemasoandro, Andranonahoatra, Anosizato Andrefana, ary ny Rafitra fikojakojana ny rano sy ny fahadiovana (RF2) tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa «Produir». Fitaovana entina mifanerasera 55, fitaovana fandraofana fako […]
Auteur/autrice : Adnews
Fampidirana mpianatra : manodidina ny 350 000 Ar isaky ny ankizy ny vola ilaina
Manao famandrihana toerana amin’ny fisoratana anarana ho an’ny taom-pianarana vaovao, 2023-2024, ny ray aman-dreny, amin’izao fotoana izao. 106 000 Ar ka hatramin’ny 122 000 Ar ny sandan’ny fisoratana anarana, miaraka amin’ny “frais généraux”, isaky ny mpianatra ka ny “préscolaire” no ambony indrindra ny sora-bola. 53 000 Ar ka hatramin’ny 65 […]
Fako plastika: manimba ny famokarana sy ny nofontany
Singa iray anisan’ny mamotika ny nofontany ny fako plastika. Sakana amin’ny famokarana izy noho ireo akora misy poizina mandrafitra azy. “Mihena tsikelikely ny tahan’ny fambolena ary tonga hatramin’ny tsy famokaran’ny tany intsony ny fiparitahan’ny fako plastika”, hoy ny fanazavan’ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy, Dr Salama Jean Claude, […]
Fandaharanasa maharitra ho an’ny indostria : hiara-hiasa ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina
Vita sonia omaly, tetsy Ankorondrano, ny fifanekena eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny sehatra tsy miankina momba ny fandaharanasa maharitra ho an’ny indostria. Hiara-dia sy hifanome tanana ary hifanohana ny fanjakana sy ny mpandraharaha amin’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara. Ahafahan’ ireo mpandraharaha mahafantatra ny sehatra iarahany miasa amin’ny Fanjakana […]
Madagascar Airlines: Betsaka ireo sidina niato
Niteraka resabe teo amin’ny tambajotran-tserasera sy teny anivon’ny fiarahamonina ny raharaha “Madagascar Airlines” izay voatery nampiato sidina maromaro. Nitondra fanazavana tao amin’ny tambajotra sosialy mahakasika izany ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny kaompania, Rakotomanga Rinah. Nambarany fa mbola vitsy ireo fiaramanidina niasa taorian’ny fisokafan’ny sisintanin’i Madagasikara, nandritra izay roa taona sy tapany izay. […]




