Auteur/autrice : Adnews

Fananganana trano manara-penitra : manomboka amin’ny 40 tapitrisa Ar

Fanamby iraisan’ny tsirairay ny hanorina trano hisorohana amin’ny olana samihafa. Aman-tapitrisany maro ny fananganana trano ara-dalàna sy manana ireo fepetra takin’ny fanamboarana. Tsy mora ny manangana trano manaraka ny fepetra ara-dalàna. Betsaka amin’ireo mpanangana no tsy manaraka ny fenitra takin’ny fanamboarana. Vokany, tsy maharitra ny fotodrafitrasa. Ankehitriny, manomboka amin’ny 40 […]

Fitantanan-draharaha: niofana ny mpiasan’ny kaominina

Miisa 504 ny mpiasan’ny kaominina nahazo fiofanana avy any amin’ny faritra miisa dimy: Sava, Analamanga, Me­nabe, Atsinanana ary Analanjirofo. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny Ivontoeram-pirenena mikasika ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana ifotony (INDDL) sy ny Tahirim-bola ho an’ny fampandrosoana eny ifotony (FDL). Nanohana ny governemanta Amerikana, amin’ny alalan’ny Antokondraharaha ho […]

Firenena an-dalam-pandrosoana: avy amin’ny tsy miankina ny ¾-n’ny fampiasam-bola

Fanoitran’ny fampandrosoana ara-toekarena ny sehatra tsy miankina. Araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena farany teo, mian­kina amin’ny fihetsiky ny orinasa tsy miankina sy ny mpanjifa ny hoavin’ny fire­nena rehetra maneran-tany, manoloana izao krizy ara-toekarena mavaivay izao. Fototry ny seha-pihariana manan-danja ny fampiasam-bolan’ny tsy miankina. Fom­ba hanatanterahana azy ny famoronan’izy ireo tolotra vaovao, mba hamoronana asa. Mitaky fifamatorana […]

TARATRY ny KANTO

Mahatratra 16km ny tahiry ao amin’ny Arsi­vam-pirenena malagasy etsy Tsaralalana. Taratasy nifanaovana teo anivon’ny fanjakana efa tany amin’ny taona 1878 no voatahiry ao. Mbola ireo Sakaizam-bohitra tao anatin’ny Imerina enin-toko no nikarakara ireny taratasy ireny. Teo anatrehany no nanoratana ny zaza teraka, ny maty, ny fifanekena ifanaovan’ny olona, sns. Tontosa […]