Auteur/autrice : Adnews

Vehivavy afrikanina : mbola betsaka ireo miaina anaty herisetra sy marefo ara-pivelomana

Nomarihina omaly, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy afrikanina. Nitondra hafatra ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy, Soafilira Princia, ka nilaza fa fotoana hahatsiarovana ireo dingana rehetra efa natao ho fampivoarana ny zon’ny lahy sy ny vavy sy ho fanamafisana ny ezaka natao […]

Polisin’ala : Mendrika omena hasina

Marihina isaky ny 31 jolay 2023, ny Andro maneran-tany ho an’ny polisin’ala. Mandray anjara amin’izany fanamarihana izany ny ONG Impact Madagascar sy ny mpiara-miasa aminy amin’ity taona ity, hetsika izay eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (MEDD). Tanjon’ny hetsika ny fanomezana hasina sy ny toerana sahaza […]

Fihoaram-pefy sy tsy fanarahan-dalàna : niantso ny rehetra hamaky bantsilana ny Tim

Nanao fanambarana ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, omaly. Niantso ny rehetra ho mailo mano­loana ny tsy fanarahan-dalàna ny tenany. Niantso sy nanaitra ny rehetra ny Tim. Nam­baran’izy ireo fa miditra amin’ny fampiasana ny fahefam-panjakana hanaovana fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana hanohanana ny mpitondra ny fanjakana. “Efa finiavana sahady handika ny lalàna […]

INDRAY MIJERY

Mitohy hatrany ny fitetezan’ireo fiarabe ireo distrika maro manerana ny Nosy amin’ny tolotra ara-pahasalamana «Sarobidy ny aiko». Nisitraka izany ny mponina tao amin’ny tanànan’Ambositra, 1 580 ny isan’ireo olona nisitraka tolotra maimaimpoana. Andro maneran-tany ho an’ny ady amin’ny fampiasana ankizy, foibem-pitondram-paritry ny fanabeazam-pirenena Androy. Anisan’ny hetsika notanterahina, nandritra izany, ny […]

Ady amin’ny famarinan’olona : mitentina 2 tapitrisa dolara ny vola enti-miasa

Ny faran’ny herinandro teo no nanamarihana ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny famarinana olombelona. Misy ny tetikasa mitentina 2 tapitrisa dolara hotanterahina, izay vatsin’ny governemanta amerikanina, hiadiana amin’zany famarinana olona izany. Hanampy ireo mpitandro filaminana hahazo ny fiofanana ilainy ity tetikasa ity. Hahafantarany ny famarinana amin’ny endriny rehetra, sy hahaizany misafidy […]