Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Vita ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ao Ambilobe. Manana tanjaka 1MW ity tobim-pamokarana ity raha 800 KW isanisany kosa ireo milina mpihary herinaratra vaovao miisa roa miaraka aminy. Hahatratra 2.400 KW ny herinaratra hovokarina ao Ambilobe. Tanjona ny hialana tsikelikely amin’ny fampiasana solika. Mahatratra 3.750 ireo hisitraka ny fotodrafitrasa. […]

Fitomboana ara-toekarena : tsy nandroso tao anatin’ny telo volana voalohany 2023

Manangona ny antontam-baovao rehetra mikasika ny tontolon’ny toekarena ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Tsikariny fa nihemotra ny fandrosoana ara-toekarena teto amintsika, tao anatin’ny telo volana voalohan’ny taona 2023. Lafin-javatra maro no jeren’ ny Banky foiben’i Mada­gasikara (BFM) amin’ny toekarena eto amin’ny fire­nena. Manan-danja lehibe amin’ny lafiny fampandro­soana ny entin’ny mpandraharaha […]

Fikambanana Daholo : Tanora 12, nahavita fiofanana

Notolorana mari-pankasitrahana ireo tanora mpianatra 12, andiany faha-8 sy faha-9 eo anivon’ny fikambanana Da­holo, ny sabotsy lasa teo. Na­ha­vita fiofanana mikasika ny fahaiza-mitarika (Young leaders dirigeants), momba ny fanamboarana savony vita amin’ny zava-maniry izy ireo. Nampiofanina avokoa izy ireo taorian’ny tetikasa niombonana sy niarahan’ny mpianatra, nampitondraina ny lohateny hoe : «Tolotanam-pivoarana». […]

«Festival des baleines» : Tontosa na maro aza ny sakana

Fanainga ho an’ny sehatry ny fizahantany eto an-toerana ny “Festival des baleines” andiany fahenina teo. Tsara ny tombam-bokatra ary feno avokoa ireo trano fandraisam-bahiny tao amin’ny Nosy Boraha (Ste Marie) nandritra ny herinandro mahery nanaovana ny hetsika. Na izany aza, betsaka ireo hetsika tsy tontosa noho ny haratsin’ny toetr’andro. Ani­san’izany […]

Youth Digital Program: “Influenceurs” 20 hofanina hanentana ara-pahasalamana

Hanofana tanora 20 mpanentana eny amin’ny facebook na « influenceur » ny “Orange Digital Center Madagascar”, amin’ny alalan’ny fandahara­nasa “Youth Digital Program”. Fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny minisiteran’ny Fanabea­zam-pirenena ary ny minisiteran’ny Tanora no ahafahana manatanteraka izany. Natomboka tamin’ity herinandro ity, araka izany, ny fandaharanasa “Youth Digital Pro­gram” amin’ny […]