Auteur/autrice : Adnews

Fako plastika eto Madagasikara: manambana ny fahasalamana sy ny tontolo iainana ny tsy fisian’ny politika fitantanana

Afaka 100 taona no ho mihoatra ny faharavan’ny akora plastika iray nefa 40% amin’ny vokatra plastika ampiasaina indray mandeha dia ariana. Mila manova ny fomba fiaina sy fanjifana ny olona hampihenana ny fako plastika mitondra voka-dratsy samihafa. Mamokatra fako 300 g ka hatramin’ny 400 g isan’andro ny olona iray. Eto […]

TARATRY ny KANTO

“Samedi de la foundation H”. Tanterahina anio, eny amin’ny Fondation H, Ambatomena, ny atrikasa famoronana ho an’ny olon-dehibe. Ny mahakasika ny fanenomana amin’ny tanana no amin’izany. Hiarahana amin’ny matihanina eo amin’ny sehatry ny tenona no mikarakara ny hetsika, izay tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny haikanto sy ny kolontsaina. Slam national […]

Velakevitra – Soratra: « Mety ho levona ny talenta », hoy Ravorombato Ony

Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny « Famo­loana Telozoro” ilay velake­vitra hotontosain-dRavorom­bato Ony Lantoarimamy, nomena ny lohahevitra : « Ny fahalevonan’ny talenta eo amin’ny pôeta sy ny mpano­ratra ». Famelabelaran-kevitra hotanterahina ny 2 aogositra izao, ao amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy. Tari-dresaka nataon’ity mpanoratra ity ny fanehoana fa misy ny talenta fa […]

Mozika sy hira : Omen-danja ny kolon­tsaina sy ny haikanto

Nisitraka atrikasa fampianarana mozika sy hira, andiany faharoa, ny rehetra teny anivon’ny boriborintany enina eto Antananarivo, ny alarobia sy zoma teo. Nokarakarain’ny sam­pandraharaha misahana ny haikanto, kolontsaina ary vaky boky ao amin’ny Fitaleavana misahana ny haikanto, kolon­tsaina ary ny fiainam-piarahamonina tarihin-dRavelo­ma­nan­tsoa Elia, eo anivon’ny CUA. Nisitraka izany, ireo sokajin’ olona […]

Lalaon’ny Frankofonia – Kinshasa 2023 : vonona handrombaka medaly ny Malagasy

Ambohipihaonan’ny mpikatroka fanatanjahantena sy ny kolontsaina i Kinshasa, renivohitry ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC), amin’izao fotoana izao. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny an­diany fahasivy amin’ny lalao ho an’ireo firenena mampiasa ampahany na manon­tolo ny teny frantsay, tao amin’ ny Stade des Martyrs, kianja lehibe indrindra eto Kinshasa. Toy ny […]