Auteur/autrice : Adnews

Minisitry ny Fitsarana : “Na ny fanjakana aza azo torina”

“Tsy misy ny ambonin’ny lalàna, fa na ny fanjakana aza azo toriana”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanan­te­nasoa Landy Mbolatiana, tany Mahajanga, omaly. Ta­min’ny lanonana nametrahana ny filohan’ny Fitsarana misa­hana ny ady atao amin’ny fanjakana, Rabehaja Mirindra, no nanambarany izany. No­hama­fisiny fa tsy mitanila ny fitsarana, malalaka amin’ny asany, mitsara […]

Trano atsimo sy avaratra …

  Miharatsy andro aman’alina ny fiarahamonina iainan’ ny Malagasy ankehitriny. Tsy mahagaga raha mirongatra ny olona mikorontan-tsaina ka «mivaha» ara-bakiteny. Mampatahotra ny mivezivezy eny an-dalana. Aiza koa misy izany mivazavaza tampoka sy midaroka eny imasom-bahoaka. Mainka zava-doza ny any anaty fitateram-bahoaka, tsy tohinina avokoa ny olona. Mila mitandrina mba tsy […]

Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy : “Tsy maintsy ahitam-bahaolana ny delestazy”

Nitondra fanazavana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena ny mpitondra tenin’ny governemanta, Rakotondrazafy Lalatiana, afakomaly. Noresahany ny politika sy ny sosialy. Niaiky ny minisitry ny Serasera sy ny kolon­tsaina, nandritra ny fandaharana manokana tao amin’ ny fahitalavitra iray izay mbola naverina tamin’ny TVM/RNM, omaly, fa sorena ny vahoaka manoloana ny delestazy […]

TSELATRA

Voasambotry ny polisy misahana ny vehivavy sy ny zaza tsy ampy taona ny lehilahy iray 70 taona voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanolanana tao Mitsinjo Toliara II. Ny 23 jona 2023 lasa teo no nitranga ity fanolanana ity ka nametraka fitoriana ny ray aman-drenin’ilay ankizy niharam-boina. Tra-tehaka tao an-tranony anatin’ny fokontany […]

Efa nosakanan-janany: renim-pianakaviana hita faty tao anaty tatatra

Ramatoa 37 taona, na­moy ny ainy, tetsy amin’ny fokontany Manjaka Ilafy, omaly maraina. Niala ny trano ny harivan’ny alakamisy teo, efa nosakanan’ny zanany izy. “Hitaky vola aman’olona no nialany tao an-trano tamin’ny 5 ora hariva”, hoy ny fanazavan-dRakotonarivo Njaka, andrimasom-pokonolona ao amin’ny fokontany. Niandry ny fiverenany ilay zanany. Tsy hita […]