Hotanterahina, anio, ao amin’ny Doany Miarinarivo, Mahajanga, ny Fitampohan’Andriamisara Efadahy Manankasina. Ny fianakaviamben’ny mpanjaka Sakalava sy Dina Herimisy Guy, Mpanjakaben’i Boeny no mikarakara ny hetsika. Fampandroana ny taolambalon’ireo Dady ahazoany ny anarana masina “Razana” no atao ao anatin’izany. Tontosa soa aman-tsara, teny amin’ny Imaitsoanala Ambohimangakely, ny “Internationale Reggea Day 2023”, […]
Auteur/autrice : Adnews
Reko Band sy Rija Ramanantoanina : nohafanain’ny « Zara fitia » Antsahamanitra
Tarika sy mpanakanto roa samy manana ny mampiavaka azy. Samy manana ny mpitia ny sanganasany. Samy nihira ireo hira nahafantarana azy… Na namirifiry aza ny toetry ny andro, omaly, nafana ny teny Antsahamanitra. Nisantatra ny sehatra nitondra ny «Zara fitia» ny Reko Band. Hira mihetsiketsika nisesisesy avy hatrany no nisantaran-dry […]
Fanabeazana sy kolontsaina : 140 taona ny « Alliance Française »
Mizara telo lehibe ny asa sahanin’ny «Aliance Française» any amin’ny firenena misy azy. Fampianarana ny teny frantsay. Fampandrosoana ny famakiana boky ho an’ny rehetra. Fampivelarana ny kolontsaina amin’ny endriny rehetra. Ireo no nezahina nampahafantarina ny olon-drehetra, ny sabotsy 1 jolay teo, tao amin’ny Alliance Française Antananarivo (AFT) etsy Andavamamba. Nampahafantarina […]
Tombokavatsa : Malagasy 15 hatramin’ny 65 taona voasarika
Tontosa, omaly, tetsy Ampasanimalo, ny hetsika “Havatse Dago Tattoo Fest”, andiany voalohany. Nanatrika izany ireo tanora malagasy maro, mpankafy ny fanaovana tombokavatsa. Mihevitra ny ankamoroan’ny Malagasy fa rendrarendra sy natokana ho an’ny jiolahimboto ny fanaovana tombokavatsa, raha ny zava-misy. “Tsy fantatry ny Malagasy fa anisan’ny kolontsaintsika ihany koa izany ka […]
FANTINA sy FINTINA
Nalevina ny sabotsy teo, any amin’ny fasan-drazany ao Antanandava , kaominina Anjiamangirana, ny nofo mangatsiakan’ny depiote Jao Jean. Nifanitsa-kitro ireo vahoaka nirohotra nandritra ny fotoana naha teo am-bohitra ny razana ary samy nihetsi-po avokoa ny rehetra, hatrany amin’ny fiaretan-tory sy ny famangiana ka hatreny am-pandevenana. Nodimandry teo amin’ny faha-80 taonany […]




