Auteur/autrice : Adnews

« World Cup U19 »: Anisan’ny nofidina ho MVP i M’Madi

Malagasy mpilalao nanandratra avo an’i Madagasikara, nandritra ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety, ho an’ny latsaky ny 19 taona, ny laharana faha-4 malagasy, i Mathias M’Madi. Afaka milahatra tsara amin’ireo kalaza eran-tany izy manomboka izao satria anisan’ny nofidina ho mpilalao mendrika indrindra, tamin’iny fifaninanana iny. Niaraka tamin-dry Reynan Santos […]

Fanomanana ny JIOI 2023 : hamboarina ny kianja Makis Andohatapenaka

Ho fandraisana ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, izay ho tanterahina eto amintsika ny 25 aogositra – 3 septambra dia hasiana fanamboarana ny kianja Makis, Andohatapenaka. «Hasiana fanamboarana ny kianja Ma­kis Andohatape­na­ka. Anisan’izany ny fanavaozana ny bozaka sy ny trano fiomanan’ny mpilalao “vestiaire”, ny trano fidiovana “douche”, sns…. Natao handraisana ny […]

Sombim-baovao

Nanao fanambarana ny solontenan’ireo ligim-paritry ny baolina kitra, ny zoma lasa teo, teny Isoraka fa tsy manaiky ny fanaovana tery vay manta ny fifidianana seksiona manerana ny Nosy. Nambaran’i Hawell Mamodaly, filohan’ny ligin’i Menabe fa tsy mifanaraka amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana ny lisitr’ireo klioba mandatsa-bato. Misy ekipa tsy nahavita […]

Misaona ny tontolon’ny basikety: nodimandry Robertson Dalton (Joma)

Semban-drahona indray ny tontolon’ny basikety malagasy. Nodimandry, teo amin’ny faha-31 taonany, ny sabotsy 1 jolay lasa teo, ilay mpilalao basikety malagasy, Robertson Dalton, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Joma. Tao amin’ny klioban’ny GNBC Basket-ball izy no nilalao ary efa nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Na­nana ny naha izy azy i […]

Basikety – “World Cup U19”: Laharana faha-14 ny Ankoay

Nifarana, omaly, tany Debrecen Hongrie, ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety, ho an’ny sokajy latsaky ny 19 taona. Laharana faha-14 no misy ny Ankoay. Tafapetraka eo amin’ny laharana faha-14, ny ekipa malagasy, niatrika ny “World Cup U19”, taranja basikety. Tsy nahomby ny lalao fiadian-toerana nifandonan’izy ireo tamin’ny ekipan’i Egypta, […]