Tontosa soa aman-tsara ny tetikasa “Tontolo iray, kolontsaina iray”, niarahan’i Madagasikara sy Nouvelle Calédonie. Tetikasa nanatanterahana ny fifanakalozana ara-kolontsaina teo amin’ny roa tonta, nandritra ny 15 andro teto Madagasikara. Ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) no nisolo tena ny Malagasy tamin’izany, raha ny Centre Culturel Goa ma Bwarhat (CCGMB) kosa ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Alliance Française : hetsika maro no hanamarihana ny “Fetin’ny Mozika”
Hiavaka noho ny tamin’ny andiany teo aloha. Hotanan’ny Alliance Française hatrany kosa ny lalantsain’ny “Fetin’ny Mozika”. Fizarana mozika maimaimpoana, fampiarahana mpanakanto kalaza sy vao misondrotra, sns. 21 jona, “Fetin’ny Mozika”. Efa tafapetraka eto Madagasikara izy ity, ary nomarihina nandritra ny taona maro. Anisan’ny nikarakara tsy tapaka ny “Fetin’ny Mozika”, manakaiky […]
Satan’ny mpanao politika : mbola raisina ny soso-kevitra
“Mbola mandray ny soso- kevitra sy manatsara ny sata ny ekipa ao. Hampahafantarina ny fotoana hanaovan-tsonia”, hoy ny sekretera jeneraly nasionalin’ny HVM, i Sambany Alain. Nandrafitra no nataon’ ireo antoko folo nivory sy nifampizara fomba fijery ary nifandresy lahatra ny amin’ny rijan-teny. Nampafantarina ny antoko politika sy firaisamonina sivily izany […]
Lisitry ny mpifidy : haverina eny amin’ny fokontany ireo tsy fahatomombanana
Mahatratra 57 012 ny tsy fahatomombanana amin’ny lisitry ny mpifidy, araka ny tatitry ny mpanao fitsirihana, ny herinandro teo. “Haverina eny anivon’ny fokontany ireo tsy fahatomombanana hanaovana fanamarinana. Tsotsotra ireo tsy fahatomombanana: ny laharan- karapanondro izay mampiavaka ny lahy sy ny vavy, ny tsy fisian’ny laharana “serie””, hoy ny mpampakateny […]
Depiote R. Siteny: “Mila fanavotana ny vahoaka”
Nitohy tany Menabe, tao Morondava, ny Mihava Tour, notarihin’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny, ny faran’ny herinandro teo. “Tsy ekentsika ny fampiadiana ny samy Malagasy. Mila fanavotana ny vahoaka sy ny firenena fa tena mijaly loatra”, hoy izy tamin’ireo vahoaka tany an-toerana. Nanteriny fa tsy mahantra ny Malagasy. Nampahantraina isika. Izay no […]




