Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Tafakatra 3 500 Ar ny kilaon’ny ovy eny amin’ ny tsenan’Andravoahangy. Niakatra ho 6 000 Ar ihany koa ny kilaon’ny tongolobe. Misondrotra daholo amin’ ny ankapobeny ny vidin-tsakafo eto an-dRenivohitra, amin’izao faramparan’ny fotoam-pahavaratra izao. Etsy ankilany anefa, midina ny vidim-bary, izay 700 Ar hatramin’ny 1 000 Ar ny vidin’ny iray […]

Korontana tao amin’ny Orange Madagascar : Tafaverina ny ankamaroan’ny tolotra

Tafaverina amin’ny laoniny ny ankamaroan’ny tolotra omen’ny Orange Madagascar taorian’ny korontana tamin’ny tambajotra nanomboka ny 13 febroary teo, araka ny fampahafantarana nataony. Noha­zavainy fa avy amina toerana teknika miisa roa eto Antana­narivo sy Toamasina no fototry ny olana. Vantany vao niseho ny olana dia nampandrene­sina ny ekipa teknika ka nandray […]

« Salon Voatra » : Fiaraha-miasan’i Mada­gasikara sy i Maroc

Hotanterahina ny 1 sy 17 avrily ho avy izao, eny amin’ny Novotel Alarobia, ny “Salon de la créativité Voatra” andiany faha-12. Hetsika hanandratana ny vokatra sy ny fahaiza-manaon’ny Malagasy. Vahiny manokana amin’ity andiany ity i Maroc, noho izy firenena matanjaka sy manana stratejia ary maodely ara-toekarena mifanaraka amin’ny filàn’i Madaga­si­kara. […]

Ady any Moyen Orient : Tafakatra 100 dolara ny iray barila amin’ny solika

Miditra amin’ny andro faha-18 ny ady ifanandrinan’i Iran amin’i Etazonia sy Israely. Miantraika mivantana any amin’ny vidin-tsolika izany ary tsy maintsy hipaka aty Madagasikara. Tsy mitsaha-midangana! Niakatra 30% ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, tato anatin’ ny 18 andro nipoahan’ny ady any Moyen Orient, ifandonan’i Iran amin’i Etazonia sy Israely. […]

TSELATRA

Zazakely iray vao teraka hitan’ny fokonolonanisy nametraka teo amoron-dalana tany Avaratsena Mahitsy, omaly maraina. Mbola velona soa aman-tsara ilay zaza ary mbola salama ihany koa. Notazomina sy nokarakaraina ao amin’ny fikambanan-dry masera iray eny an-toerana ilay zaza taorian’izay. Efa mitohy ny fikarohana ny ray aman-dreniny ataon’ny tomponandraikitra. Lehilahy iray nisoloky […]