Tsy mitsaha-miakatra ny vidin’ny solika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tafahoatra ny 100 dolara, izany hoe, 103 dolara ny barila (1b=159 L), ny zoma 13 marsa teo, raha mbola 93 dolara/b, ny 12 marsa. Nanomboka ny 28 febroary, fotoana nipoahan’ny ady nanafihan’i Etazonia sy Israel an’Iran no nanomboka ny fiakaram-bidy, raha […]
Auteur/autrice : Adnews
Star : Zava-pisotro vaovao anaty vifotsy
Nampahafantarina ny 13 marsa teo, ny vokatra vaovao an’ny orinasa Star. Voakasik’ izany ny Fresh, ny Caprice, ny Woco ary ny XXL, izay atao anaty fonosana vifotsy (canette), 33 cl. Zava-pisotro « panaché » voalohany vokarina eto Madagasikara, ny Fresh anaty vifotsy « canette », sady mora ampiasaina. Hita bebe kokoa amin’ny lalam-barotra Modern […]
Fiarovana ny zon’ny mpanjifa : Ilaina ny fiaraha- mientan’ny rehetra
“Mbola miparitaka ny vokatra tsy azo antoka, misy hosoka na tsy manara-penitra ka mampihena ny fahatokisan’ny mpanjifa satria mampidi-doza azy, indrindra fa ara-pahasalamana”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana (MinCC), Rasolofoarison Misa, nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa (JMDC). Hetsika natao omaly, tetsy […]
Salon des transports: Andry iankinan’ny toekarena ny fitaterana
Notanterahina ny 13 sy 14 marsa teo, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny « Salon des transports et de la chaîne logistique ». Nandray anjara, tamin’izany, ny sehatry ny fitaterana an-tanety, ana habakabaka, an-dranomamy sy an-dranomasina. Manana vina sy tanjona iombonana ny mpisehatra amin’ny fitaterana tsy ankanavaka. Izany dia voafintina amin’ny hoe: […]
FANTINA sy FINTINA
Kaominina miisa 24 no namoahan’ny fitsarana didy hamerenana fifidianana amin’ny ampahany, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo. Tsy ny kaominina Antananarivo Renivohitra ihany izany. Hatramin’izao, tsy mbola misy didim-panjakana miantso mpifidy hamerenana fifidianana. ”Raha ianareo no manaiky ho vidian’ny olona vola 150 000 Ar […]




