Auteur/autrice : Adnews

 « Inter médias »: hanomboka ny 22-23 avrily ny fifaninanana

Hotanterahina ny 22-23 avrily ho avy izao ny fifanintsanana ho an’ireo orinasa mikirakira vaovao, na “Inter médias 2023”. Araka ny valandresaka nataon-dRasoloarison Monica Harimbola, filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto amintsika (OJM), omaly, teny Ambohidahy, natao hampiray ny mpanao gazety rehetra ny fifaninanana. Ny taranja baolina kitra ho an’olona fito […]

Volley Mada 2023: hanomboka anio ny fifaninanana

Hotanterahina manomboka anio 7 avrily 2023, any Antsirabe, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy diviziona faharoa, lahy (2DM) sy vavy (2DF) ary ny zandriny U14, U16, U20. Fifaninanam-pirenena tafiditra amin’ny taom-pilalaovana 2023. Nahitana mpandray anjara efatra avy, ny  2DM sy ny 2DF. Miisa telo ireo solontenan’Analamanga ao amin’ny […]

Kitra ho an’ny vehivavy: hifanandrina amin’i Mayotte ny Barea

Ho fiatrehana ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, izay hatao eto amintsika, ny volana aogositra, hanao lalao ara-pirahalahiana iraisam-pirenena, taranja baolina kitra ny Barean’i Madagasikara, vehivavy. Ny ekipam-pirenen’i Mayotte no hihaona amintsika. Hotanterahina any Diego, ny 24 avrily hatramin’ny 1 mey ho avy izao ny fifanandrinan’ny roa tonta. Araka ny fanazavan’Andriatsimialona […]

Filaharan’ny Fifa: nivarina ho faha-110 i Madagasikara

Namoaka ny filaharana vaovao amin’ny baolina kitra eran-tany ny federasionina iraisam-pirenena, nilatsaka any amin’ny faha-110 i Madagasikara, raha toa ka faha-102 teo aloha. Nivarina any amin’ny laharana faha-110 i Madagasikara eo anivon’ny Fifa, taranja baolina kitra. Araka ny vaovao navoakan’ny tambajotran-tseraseran’ity fikambanana iraisam-pirenena’ny baolina kitra ity, omaly, manana isa 1181, […]

VHT – Fikaonandoha : “Ilaina ny fanarenana ifotony”

“Fihaonana hanaovana fanorenana ifotony ny firenena malagasy tokony hisy, fa tsy fihaonana endrika ivelany”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Vonona hijoro ho an’ny tanindrazana (VHT), Razanakoto Norbert. Raha tsy misy ny fanorenana ifotony, tena miverina andoharano tanteraka: antsikafona avokoa aloha ny zava-drehetra, fa misy tena mikorontana. Mba hahazoana ny […]