“Marina fa tsy ekena ireny karazana teny mita navoakan’ny minisiteran’ny Atitany ireny, izay lazaina hoe manohintohina ny fomba na ny fahalalahana maneho hevitra. Nefa tsy ny sehatra iraisam-pirenena no heverina hoe tokony hanome lesona antsika amin’ny toy ireny.” Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia, manoloana ny nambaran’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Atsinanana, Alaotra Mangoro.. : foaran’ny fampandrosoam-paritra
Raikitra ny “Business Forum Regionaux – II”. Hifantoka amin’ny fampandrosoana faritra telo any atsinanan’ny Nosy ny “Business Forum Régionaux” amin’ity andiany faharoa ity. Anisan’ny hisitraka izany ny any Atsinanana sy Alaotra Mangoro ary Analanjirofo. Anisan’ny hojerena manokana amin’izany ny fampandrosoana ny toekarena sy ny fihariana amin’ireo faritra telo ireo, amin’izao […]
Fandaniam-bolam-panjakana : hohafainganina ny fikirakirana antontan-taratasy
Anisan’ny nivoitra tamin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, ny fanatsarana sy fanafainganana ny fikirakirana ny antotan-taratasim-panjakana ho amin’ny fandaniam-bolam-panjakana. Mazava ny toromariky ny filohan’ny Repoblika tamin’izany. Havaozina ny fomba fiasa mba tsy hampikatso ireo asa efa nankatoavina tamin’ny alalan’ny fanaovana tsenam-baro-panjakana. Nanovàna, araka izany, ny dingana arahina amin’ny fanatanterahana […]
Fankalazana ny 26 jona : mitaky firaisankina eo amin’ny samy Malagasy
Araka ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, tetsy Ampahibe, omaly, ilaina ny firaisankina sy fifankatiavana eo amin’ny samy Malagasy ny fanatanterahana ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena. Ho fanomanana sahady io fety anisan’ny manamarika tantaram-pirenena io, nosantarina tamin’ny fomba ofisialy ny fivorian’ny kaomity nasionaly mpikarakara ny fankalazana izany, […]
Ho voky !
Nankalaza ny andron’ny alakamisy masina ny mpino kristianina, omaly. Andro namoronana ny eokaristia masina, izay marika famantarana mandraka ankehitriny fa miaraka amin’ireo mpino azy hatrany i Jesoa Kristy. Andro lehibe ho an’ireo manara-dia azy izany, satria fanamafisana ny fifamatorana. Mofo sy divay, na vatana sy ran’i Kristy, famantarana ny fitahiana […]




