Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ireo tanora mpametaveta tovovavy virijiny sy mpidoroka zava-mahadomelina ao Toamasina. 22 ireo mpianatra voasambotra miampy ireo telo lahy mpitarika. Tsy mety fay mihitsy! Tsy niandry ela fa taorian’ny fitsirihana ireo kizo ahina fa misy ny fiafenan’ireo zatovolahy mivondrona ao anatin’ny fikambanana mpametaveta ankizivavy virijiny “Gool Den […]
Auteur/autrice : Adnews
Analamahitsy : mpanendaka niharan’ ny fitsaram-bahoaka
Nanantena hahazo mora ny hatsembohan’ny sasany ! Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ny mpanendaka iray voasambotry ny fokonolona tetsy Analamahitsy, afakomaly hariva. Miandry ireo mpandalo mandeha an-tongotra anatin’ny lalana maizina mampitohy an’ Analamahitsy sy Nanisana ireto olon-dratsy ireto. Niisa telo izy ireo no nikasa hanao ny asa ratsiny. Sendran’ny fokonolona, nataon’ireto farany […]
Fiatrehana ny fetin’ny Paka… : polisy 1 580 hisahana ny filaminana eto Analamanga
Polisy manodidina ny 1 580 indray hisahana ny filaminana eto Analamanga mandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paka sy ny alatsinain’ny Paka ho avy izao. Ho an’ny eto an-drenivohitra manokana, 200 ireo polisy manara-maso eny amin’ireo fiangonana. Ho an’ny Avaradrano indray, 152 ireo polisy hahetsika ka 32 misahana eny amin’ny fiangonana raha […]
Nandritra ny volana marsa : olona 163 tratra nanao fandikan-dalàna
Nahitam-bokany ny hetsika nataon’ny polisy nandritra iny volana marsa iny. Olona 352 no natao fanadihadiana ka ny 163 amin’ireo tratra noho ny fandikan-dalàna. Olona roa maty voatifitry ny polisy rehefa avy nanatanteraka halatra mitam-piadiana. Ho an’ny halatra mitam-piadiana, olona enina tratra nanao izany ka ny efatra amin’ireo tratran’ny polisy raha […]
Manjakandriana : mpanao vola sandoka roa lahy nidoboka am-ponja
Nafangaron’ny olon-dratsy tamin’ny vola tena izy, nampiasainy nividianana kisoa ny vola sandoka. Tra-tehaky ny zandary izy ireo ka naiditra am-ponja taorian’ny fampanoavana, afakomaly. Mody nanao trosa vidina kisoa, naiditra etsy Antanimora vonjimaika ireo roa lahy nanaparitaka vola sandoka tao Ambohitrandriamanitra, distrika Manjakandriana, afakomaly. Nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny olon-tsotra […]




