Auteur/autrice : Adnews

Festival Miaraka : haikanto samihafa no handravaka ny hetsika

Fiombonana ao anatin’ny fahasamihafana, indrindra ny eo amin’ny haikanto sy ny kolontsaina no anisan’ny tanjona amin’ity hetsika lehibe ity. Nisy ny vinan’ny mpikarakara hamondrona ny haikanto rehetra saingy ireo no tratra ny amin’ny fiaraha-miasa. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo, Andavamamba, ny “Festival Miaraka”, andiany fahatelo. […]

Ny filankevi-panjakana : manoka-baravarana

“Mety hiteraka disadisa ny fanapahan-kevitry ny manampahefana any amin’ ny faritra. Hisorohana izany sy hahatomombana ny filaminam-ba­hoaka, misokatra ny varavaran’ny Filankevi-panjakana sy ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana, ho azy ireo, ho fakana tolo-kevitra”, hoy ny filohan’ny Fi­lankevi-panja­kana vaovao eo anivon’ny fitsarana tampony, Ratolo­janahary Marie de Jésus, nanao ny […]

Minisitry ny Fitsarana : “Azo hatsaraina hatrany ny lalàna mifehy ny Pac”

“Anjakan’ny demokrasia i Madagasikara. Natao hi­voatra koa ny lalàna. Raha misy mahita hoe mbola tokony ho­hatsaraina ny lalàna mifehy ny Pac, afa-manolotra fani­tsiana ny depiote.” Io ny fanazavan’ny minisitry ny Fi­tsarana, Randriamanan­tena­soa Landy Mbolatiana, teny Anosy, omaly, momba ny fanakianan’ny firaisamonina sivily sasany fa manalefaka ny herin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny […]

Depiote R. Brunelle: “Saziana isika aty Ikongo”

Tsy nitsitsy fitenenana ny depiote Razafintsiandraofa Jean Brunelle tamin’ny fanamarihana ny 29 marsa teo, tao Ikongo. Notsiahiviny tamin’izany fa anisan’ny nampifidy ny mpitondra amin’izao fotoana izao ny tenany. “Aza hadinoina ny tantara, anisan’ny ambony indrindra ny taha nifidianantsika azy taty… Tsy tonga anefa ny nampanantenaina antsika hatramin’izao… Tena saziana sy […]

Nosakanan’ny Emmo/Reg : raikitra ihany ny hetsiky ny Tim tao Sambaina

Raikitra ihany ny fanentanana ny mpifidy. Tsy voasakan’ny fepetran’ny minisiteran’ny Atitany amin’ny tsy fahazoana mamory vahoaka ankalamanjana sy ny fanakanana nataon’ny Emmo/Reg ny hetsika nataon’ny Tim. “Tsy voasakana iza­ny intsony isika. Adin’ny kanosa ire­ny fa­nakatsankanana ireny”, hoy ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomana­na, raha nihaona amin’ny vahoakan’i Manja­kan­driana, omaly. Vory lanona […]