Mafana ny tontolon’ny fampianarana ambony nanomboka omaly. Mitaky vatsim-pianarana ny mpianatra. Nanao fitokonana indray miaraka ny mpianatry ny oniversiten’i Fianarantsoa sy Mahajanga ary Toamasina. Nanao fitokonana fitakiana vatsim-pianarana ny mpianatra ao amin’ny oniversiten’i Mahajanga (Ambondrona) sy Fianarantsoa (Andrainjato), omaly. Na ao anatin’ny fotoam-pialantsasatry ny paska aza ny fampianarana ambony, mandeha […]
Auteur/autrice : Adnews
Fampirantiana chocolat: “Fampiroboroboana ny fihariana”
Maherin’ny 3500 ireo olona nijery fampirantiana momba ny chocolat (salon du chocolat) tao amin’ny Carlton, ny faran’ny herinandro teo. Azo ambara fa nahomby tanteraka. Fampirantiana nokarakarain’ny Fikambanana Wednesday Morning Group (WMG), tohanan’ny banky BNI Madagascar. Ny roa voafidin’ireo mpitsara nahafa-po indrindra dia ny tranohevan’ny Sambika sy Gourmet. «Ny tombontsoa azo […]
Planète Vivante: mety ho ripaka tanteraka ny sokatra mialohan’ny 2050
Araka ny tatitra ataon’ny « Planète Vivante » isaky ny roa taona avoakan’ny WWF, manambara fa mandalo fotoan-tsarotra ireo bibidia anaty ala eto Madagasikara. Mampanahy ny hoavin’izany eto Madagasikara, manana betsaka indrindra maneran-tany, 80 % eto an-toerana ihany no ahitana azy ( 91 % biby mandady, 80 % zavamaniry). Haingana loatra ny […]
FISEMARE : tokony ho 1 tapitrisa Ar ny karama farany ambany
Tsy ampy ny karama farany ambany, 250.000 Ariary apetraky ny fanjakana, raha ny fanambaran’ny sekretera jeneralin’ny Fisemare (Firaisamben’ny Sendikan’ny mpiasa malagasy Revolisionera), Mananandro Raphael, raha niresaka tamin’ny mpanao gazety. Nilaza izy fa tsy mahavita na inona na inona izany manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana ankehitriny. Tokony hojeren’ny fanjakana ny hisitrahan’ny mpiasa […]
Faritra Sava- Orange: tohanana amin’ny alalan’ny Wifiber ireo mpandraharaha
Nitsidika ny faritra Sava tany Sambava sy Antalaha ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Frédéric Debord, ny faran’ny herinandro teo. Nanavao ny fifanarahana tamin’ny mpandrahara ny Orange , anisan’izany ny vehivavy, ho fampandehanana ny Wifiber. Sambava sy Antalaha, samy nihaonan’ny tale jeneraly, Frédéric Debord, ireo manam-pahefana sy mpandraharaha ara-toekarena, ary ny […]




