Auteur/autrice : Adnews

Tetikasa Pic 3 : hatsaraina ny lakandranon’i Pangalana

Hitondra fampandrosoana maharitra ny tetikasa Pic (Pôle intégré de croissance) andiany fahatelo, tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena. Ma­ha­kasika faritra dimy (Atsi­nanana, Analanjirofo, Vato­va­vy, Atsimo Atsinanana, Fito­vinany) izany, ahitana kaominina miisa 82. Nikaondoha teto Toamasina ny governora sy ny prefen’ireo faritra ireo, ny tapaky ny volana marsa teo. Zava-dehibe ny Pic 3, satria […]

Maitsoahitra : nizara fanampiana teny Avaradrano ny Antenimierandoholona

Nitaraina ny mponina eny Ambohimanga sy ny manodidina amin’ny halafon’ny vidim-bary amin’izao fotoan’ny maitsoahitra izao. Araka ny toromariky ny filoha Rajoelina, namaly izany ny filohan’ny Antenimie­ran­doholona, Razafimahefa He­rimanana sy ny mpanolotsaina manokan’ny filoha, ny Jly Ravalomanana Richard, nanome fanampiana ny 2 avrily teo. Notolorana vary 20 gony tsirairay avy ny […]

Tetikasa Filamatra : nahafa-po ny zava-bita teny amin’ny kaominina Tsiafahy

Tapitra tamin’ity taona ity ny tetikasa Filamatra, tanterahin’ny fikambanana Cemes, tany amin’ny kaominina Tsiafahy, distrika Atsimondrano. Miisa 274 ny mpisitraka nahatojo hatramin’ny farany, niofana ara-teknika ny lafiny fambolena, ny fambolen-kazo, ny fiarovana ny tontolo iainana, sns. Nahafa-po ny vokatra azo, na misy aza ny lesoka mila harenina. Tanjon’ny tetikasa Fi­lamatra, […]

« Rindran-kira ho anao » : hasongadina ny hiran’ny omaly

Hiavaka tanteraka ! Rehe­fa nosokajiana, tafiditra ao anatin’ny hiran’ny omaly ny ho re avy eny an-tsehatra, ny alahady 16 avrily izao, ma­nom­boka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ ny CCEsca Antanimena. «Rin­dran-kira ho anao», seho ahitana ireo mpanakanto miangaly io karazan-kira io. Mpana­kanto sy tarika maherin’ny folo no […]