Auteur/autrice : Adnews

Fitiavana tsy raikitra : rangahy nananton-tena avy namono ny sakaizany

Noleran’ny lehilahy iray antsy ny vehivavy sakaizany taloha. Maty nananton-tena izy avy eo. Voalaza fa antony namonoany tena ny tahotra higadra. Efa ela no nisaraka ireto mpifankatia izay niara-maty, vokatry ny sotasotan’ilay rangahy. Raha ny angom-baovao voaray tamin’ ny olona mahafantatra azy roa, mpifankatia nandritra ny telo taona izy ireo. […]

Efa nokarohina hatry ny ela : roa lahy nangalatr’ omby voasambotra

Tra-tehaky ny fokonolona sy ny zandary tao Soavina­rivo Sahanivotry, ny roa lahy nangalatr’omby ny alahady teo. Nangalarin’izy roa ireto tany Fandiorano, Miaranava­ratra Fandriana, ny omby. Nisy nahatsikaritra ny fandalovan’izy roa lahy teo amin’ ny fokontany Soavinarivo. Nahita ny fihetsika hafahafa, nampandre avy hatrany ny zandary miasa ao an-toerana ny tsara-sitrapo. […]

Lozam-pifamoivoizana RN7 : niampy iray ireo namoy ny ainy

Niampy iray indray ny namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao amin’ny RN7, teo An­dohasahamarina, kaominina Talatan’Ampano, distrikan’i Vohibato,ny sabotsy tolakandro teo. Taorian’ny fandidiana loha, natao tamin’ny tanora iray, anisan’ireo tao anatin’ny fiara nivadika, tsy tana ny ainy ny alahady maraina teo. Tanora mpilalao kitra sady skoto anatin’ny fiangonana […]

Nirefodrefotra ny basy… Indianina maty voatifitra, lasa ny vola 150 tapitrisa Ar

Miseholany ny tsy fandriampahalemana ao Toama­sina, raha ny zava-misy any an-toerana, ny faran’ny herinandro teo. Nirefodrefotra ny basy tao Dépot fahefatra, Toa­masina, teo anoloan’ny trano fandraisam-bahiny RN 2 Bis. Mpandraharaha mpanafatra vary avy any ivelany ity teratany indianina 36 taona maty voatifitry ny jiolahy ity. Avy nandray vidin’entana izy ta­min’io […]

Morarano Chrome : nihena ny sandan’ ireo takalon’aina

Nidina hatramin’ny 50 tapi­trisa Ar ny vola takin’ireo jiolahy mpaka an-keriny ao Morarano Chrome. Afakoma­ly, niantso ny havan’ireo takalon’aina ireo olon-dratsy ka nilaza ilay vola tadiaviny. Nifampiresaka an-telefonina ny roa tonta. Niresaka tamin’ ny havany ihany koa ireo olona telo nalaina an-keriny. Ankilan’izay, tsy mbola na­maly ny fitakian’ireo jiolahy ny […]