Manomana ny hetsika «Humpback Whale Congress» (HWWC), andiany fahatelo any amin’ny Repoblika Dominicaine, ankehitriny, ny fikambanana Cétamada Madagasikara, tarihin’ny Dr. Saloma Anjara. Lohahevitra noraisina ny hoe «Toekarena manga ho an’ny fampandrosoana maharitra». Niforona ny taona 2015 teto Madagasikara ny fikambanana tany amin’ny Nosy Sainte Marie, nandritra ny hetsika manokana ho […]
Auteur/autrice : Adnews
Mahanoro: jiro manazava ny elakela-trano miisa 110
Mamaha ny olan’ny tsy fandriampahalemana ny fisian’ny jiro manazava ny arabe sy ny elakelantrano. Tafiditra ao anatin’ny velirano 2, hisian’ny « Hazavana ho an’ny rehetra » ihany koa. Mitohy ny tetikasa «Hazavao ny elakela-trano». Natomboky ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Andriamanampisoa Solo teny Andohanimandroseza, boriborintany faharoa eto […]
Indray mijery
Tanterahina any amin’ny faritra Androy ny tetikasa Mianatra. Ankizy anarivony no misitraka sakafo an-tsekoly mitondra otrikaina. Sekoly 18 any an-toerana no hanatanterahana izany. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa McGovern-Dole International Food for education and Child Nutrition izany. Tohanan’ny departemantam-panjakana amerikanina misahana ny fambolena ara-bola. Ao anatin’ny 5 taona manaraka, fatran-tsakafo mitondra […]
Fampivoarana ny andriambavilanitra : vehivavy 460 niofana momba ny fikarakarana sakafo
Vehivavy mahaleo tena sy antoky ny fampandrosoana no tanjon’ny fampiofanana tanterahina eny Iavoloha. Mahay mahandro karazan-tsakafo izy ireo manomboka eto ary hanokatra ny tsenany manokana rehefa nahazo fiofanana. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana sahady ny andron’ny vehivavy ny hetsika ara-piofanana andraisan’ireo andriambavilanitra anjara amin’ny foibem-piofanana maro eto Atananarivo. Ny faran’ny herinandro […]
Rivodoza Freddy : mitondra orambe any atsimo
Miadam-pikisaka ilay rivodoza Freddy ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika. Any amin’ny 195 km andrefana somary avaratra andrefan’i Toliara no nisy ny foibeny. 13 km isan’ora ny hafainganam-pandehany ary manangona hery tsikelikely ao an-dranomasina izy. Sokajiana ho “tempete tropical moderé” i Freddy hatry ny omaly. Manodidina ny 80km isan’ ora ny rivotra […]




