Auteur/autrice : Adnews

Talohan’ny Covid-19 : nisanda 1,7 miliara dolara ny fizahantany

Manomboka mahazo va­hana ny fizahantany eto Ma­dagasikara. Mahasarika olona maro isan-taona avy amin’ny tany rehetra. betsaka ny zavatra hita mifangaro sy karazana tsiambaratelo maha hafa ny Nosy eo amin’ny tontolon’ny zavaboahary sy ny biby mampiavaka azy amin’ny rehetra. Fitsidihana indray man­deha atao amin’ny Nosy, tsy mahavita hahafantarana ny zava-drehetra, tantara […]

Andraharo : niampy roa indray ny vokatra Polaris

Miavaka amin’ny tanjany sy ny fahafahana mandeha amin’ireo lalan-dratsy, niampy roa indray ireo vokatra marika Polaris amidin’ny eo anivon’ ny orinasa CT Motors nanomboka ny asabotsy teo. Anisan’ izany, RZR Pro 74 Turbo R Ultimate. “Manana tanjaka 180 CV, azon’ny mpankafy SUV entina amin’ireo toerana ivelan’ny renivohitra heve­rina ho saro-dalana […]

Tanàn-dehibe: mitombo isa ny mpivarotra tsy ara-dalàna

Mitombo isa ny mpivarotra amin’ny tanàn-dehibe rehetra tato anatin’ny dimy taona farany. Matetika hita ireo mpivarotra ireo, indrindra maro ny manamorona ny lalana, ireo antsoina hoe « informels ». Karazan-javatra maro ihany koa ny hita amidin’izy ireo, mety hohanina na tsy mety hohanina. Navoakan’ireo mpanadihady ny toekarena eto an-toerana fa mitombo isa […]

Taorian’ny fandalovan’i Freddy : notohanana ireo mpampianatra Fram ao Mananjary

Nanolotra fanampiana vary 25 kg isan’olona ho an’ ireo mpampianatra Fram 36 ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, tany Manan­jary, ny faran’ny herinandro teo hanohanana azy ireo taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy. Nanome vola miten­tina 400.000 Ar koa ny filoha lefitry ny Antenimierando­holona misahana ny tapany Atsimo, Rabemananjara Ni­colas. Notontosaina […]