Namoizana aina iray indray ny valanaretina Covid-19 ny herinandron’ny 18 ka hatramin’ny 24 febroary lasa teo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ ny Fahasalamam-bahoaka. Rehefa nivaly ny fitiliana 320 natao, 13 ny tranga vaovao ka 10 ny marary hatramin’ny 24 febroary lasa teo ary iray ao anatin’izay misedra tranga misy […]
Auteur/autrice : Adnews
Faritra Analanjirofo : nitokona efa ho iray volana ny mpiasan’ny fahasalamana
Ho lasa takalonaina ny marary manomboka anio amin’ny fitokonana ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana ao anatin’ny faritra Analanjirofo. Fitakiana fialan’ny talem-paritry ny fahasalamana ny anton’ny fitokonan’ ny mpiasa efa ho iray volana ary mbola tsy hita izay marimaritra iraisana. Ny tale notakina hoesorina nametraka fialan-tsasatra ary neken’ny minisitera mpiahy. Hatramin’ izao, tsy […]
MJS: nifandimbiasana ny fitsidihana ny minisitra
Herinandro taorian’ny nanendrena azy ho minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, nifandimbiasana sahady ny fitsidihana ny minisitra, André Haja Resampa, tetsy Ambohijatovo. Anisan’ny tonga nitsidika sy nifampidinika taminy, ny filohan’ny Komity olympika malagasy (KOM), Randrianasoloniaiko Siteny. Niarahaba sy nanamafy ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny minisiteran’ny Tanora sy fanatanjahantena sy ny […]
SESAM: nampiseho firaisankina tamin’ny fambolen-kazo
Nanatanteraka fambolen-kazo teny Ambohimanga, ny klioba sy dojo ary sports extrêmes mivondrona eo anivon’ny Sesam (Sports extrêmes et salon des arts martiaux), ny asabotsy 25 febroary lasa teo. Tetikasa hiarahana amin’ny RSE (Responsabilité sociétale des entreprises). Zanakazo karazany maro toy ny hazo fihinamboa, legioma sy mangahazo no nambolena nandritra izany, […]
Judo – Open St Denis: kambana malagasy nahazo medaly volamena
Nifarana omaly ny fifaninanana “Open de St Denis” izay natao tany La Reunion. Fifaninanana izay nanomboka ny asabotsy lasa teo ho an’ny taranja Judo. Nahazo medaly volamena roa sy alimo iray ny atleta malagasy. Ralevazaha Kevin sy Ralevazaha Kenny no nandrombaka ny medaly volamena ho an’ny sokajy (Cadets). Ralevazaha Kenny […]




