Auteur/autrice : Adnews

Takaitra navelan’ny rivodoza : « An-kianja avokoa ny miaramila… », hoy ny MDN

Manome tanana ny va­hoaka ao Mahanoro amin’ny fanarenana ny simba koa ny miaramila avy ao amin’ny ZDS Pangalana. Araka ny toromarika napetraky ny mi­nisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoari­jaona Josoa dia an-kianja avokoa ny miaramila. Manampy amin’ny fanarenana ny takaitra navelan’ny rivodoza ny miaramila amin’izao fotoana izao. Ankoatra ny […]

Antoko MMM: manao fitsidihana any ivelany i Andrianainarivelo Hajo

Tsy ny fitetezam-paritra fotsiny ihany no iomanan’Andria­nai­narivelo fa efa miomana amin’ny vinany sy ny heviny momba ny fampandrosona an’i Madagasikara sy Afrika, amin’ny alalan’ny fitsidihany firenena maro any ivelany. Mitsidika an’i Eoropa ny filoha nasionalin’ ny Antoko Malagasy miara-miainga, Andrianaina­rivelo Hajo, ankehitriny. Mi­haona amin’ny tompon’andraikitra ara-politika sy ara-toe­karena isan-karazany ary […]

Fametrahana ny e-SIGL : hampiharina eto Madagasikara ny traikefa ao Malawi

Ny minisiteran’ny Faha­salamam-bahoaka, notohanan’ny USAID Madagas­car, amin’ny alalan’ny tetikasa Impact miampy ireo mpiara-miombon’antoka sy ny Unicef dia manao fi­tsidihana arahina fifanakalozana any Malawi ny 20 ha­tramin’ny 28 febroary izao. Tanjona ao anatin’izany fivahinianana izany ny hianatra ny traikefa ao Malawi eo amin’ny fampandro­soana sy ny fampiharana ny e-SIGL na ny […]

Takaitran’i Freddy: 80 409 ireo traboina amin’ny faritra fito

Fito ny olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Freddy, araka ny tatitry ny BNGRC omaly maraina. Telo maty vokatry ny fianjeran’ny trano, efatra maty an-drano avokoa. 80 409 ny traboina avy amin’ny tokantrano 20 501 anatin’ny faritra fito voakasika: Vatovavy, Fito­vinany, Atsimo Atsina­nana, Atsinanana, Matsiatra Am­bony, Menabe ary Amo­ron’i Mania. […]

Covid-19 aty Afrika: “Tokony hotohizana ny vaksiny sy ny fepetra fiarovana”

Telo taona taorian’ny nisehoan’ny vanalaretina Covid-19, ahoana ny zava-misy aty Afrika? Io ny lo­hahevitra nifampizarana tamin’ny tomponandraikitry ny Sampandrahara­han’ ny Firenena mikambana misahana ny fahasalama (OMS) aty Afrika sy ny tam­bajotran’ny mpanao gazety aty Afrika ho an’ny fampivoarana ny fahasalamana sy ny tontolo iainana (Remap­sen) tamin’ity volana ity, tamin’ny fivoriana […]