Manatsara ny fampidirana fiara avy any ivelany ny fadintseranana malagasy, raha mitombo hatrany ny fanafarana izany. Maro anisa indrindra ireo fiara efa niasa, tsy latsaky 12 000 isan-taona, nandritra ny telo taona nifanesy, 2017, 2018, 2019, ny nampidirina teto isaky ny taona. Anjatony miliara ariary maro ny nampidirin’ny ladoany, avy […]
Auteur/autrice : Adnews
Tetikasa JICA : manampy ny tontolo ambanivohitra amin’ny fambolena sy fiompiana
Anisan’ny tetikasa mifandimby iarahana amin’ny Japoney hatramin’izao ny hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Manohana izany tetikasa izany ry zareo Japoney amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa Jica (Japan cooperation international agency). Mandeha ankehitriny ny tetikasa Jica eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana any ambanivohitra. Miaraka tohanan’ny Jica amin’izany tetikasa izany, ny paikady famokarana vary amin’ny […]
Rivodoza Freddy : tsy nisy fiantraikany tao Toamasina
Ho an’ i Toamasina renivohitra, tsy nisy fiantraikany na kely aza ny fandalovan’ny rivodoza Freddy, nambara fa mafy sy matanjaka. Namoizana ain’ olona iray kosa izany tao amin’ny distrikan’ i Mahanoro sy nitondra ranobe ho an’ny kaominina ambanivohitra mandrafitra azy. Ho an’ i Toamasina manokana, famantarana ataon’ny mponina matetika ny […]
Fiahiana ny mpianatra : hisy toeram-pitsaboana eny anivon’ny sekoly
Apetraka eny anivon’ny sekoly ny toerana manokana handraisana ireo mpianatra tojo tsy fahasalamana an-tsekoly. Amin’ny alalan’ny ofisy nasionaly misahana ny fisorohana ny voina an-tsekoly (Onapascoma) no hahafahana manatanteraka izany. Anisan’ireo fototry ny tsy fahombiazan’ny mpianatra ny olana ara-pahasalamana, ka izany indrindra no nametrahan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny tetikasa « Tsinjo fahasalamana […]
Toetry ny andro : hiverina ny volonandro fahavaratra
Sisan-drahona nentin’ny rivodoza Freddy nanakaiky an’i La Réunion ka natosiky ny rivotra aty amin’ny morontsiraka atsinanan’i Madagasikara no miteraka ny orana ao Atsinanana sy Alaotra Mangoro ary Analamanga, omaly. Hisava izany anio ka hiverina ny andro maina. Nitombo hery ilay rivodoza Freddy ka lasa « tempête tropicale modérée ». Omaly […]




