Auteur/autrice : Adnews

Vokatry ny rivodoza Freddy : fito ny olona namoy ny ainy

Nitombo ho fito ny olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Fred­dy. Ankoatra ny olona efatra lasan’ny rano sy nianjeran’ny trano tany Mahanoro sy Ambalavao, misy olona telo hafa maty an-drano koa tany amin’ny fokontany Ampa­sim­bola, distrikan’i Nosy Varika sy tany amin’ny fo­kontany Ambohitsara Atsina­nana any Mananjary ary tao […]

CUA – Fahasalamana manakaiky vahoaka: nahazo fitsaboana maimaim-poana ny mponina

Fahasalamana manakaiky vahoaka, tolotra maimaim-poana ho an’ny mponin’ Antananarivo. Tonga maro nisitraka izany ny zaza amam-behivavy teny amin’ny firaisana I, fokontany Andranomanalina. Naharitra 5 andro ny hetsika. Nanomboka ny alatsinainy teo ary mifarana anio. Mahaliana ny olona ny hetsika satria maimaim-poana avokoa ny fanatonana mpitsabo sy ny fanafody omena. Tonga […]

Fomba amam-panao, tantara, kolontsaina… : misokatra ny revio nomerika « Tsanganafo »

Miavaka noho ny fahita hatramin’izay ! Raha ny fandraiketana anaty boky sy ny famoahana izany no nahafantarana an-dRanjatohery Harilala hatramin’izay, hi­ampy izany. Misokatra ny revio nomerika nampitondrainy ny anarana «Tsanga­na­fo». Nambarany fa : «ahitana lahatsoratra momba ny tantaran’i Madagasikara, ny fampahafantarana ity nosy ity, ny fomba amam-panao, ny kolontsaina, ny teny […]

Slam Poésie: hiantsehatra ny klioba Slamis

Hotanterahina ny asabotsy 25 febroary 2023, eny amin’ny Kinga, trano fisakafoana, eny Mahamasina ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Slamis. Vondrona iray miorina eo anivon’ny oniversite U-magis Masina Misely Ampa­ribe, miangaly ny Slam Poésie ny Slamis. Tanjona ny fampivondronana ny tanora mpianatra eo anivon’ity sekoly ity, tia sy mankafy Slam. […]

40 taona an-tsehatra: manomana seho eto an-tanindrazana i Mam’Rakoto

Iray amin’ireo mpikambana fototra tao amin’ny tarika Njila no tena nahafantarana azy… Nanana ny lalany manokana teo amin’ny mozika kosa i Mam’Ra­koto, na dia tsy nipetraka teto an-tanindrazana aza. Fantatra fa mandalo eto kosa izy, ary efa niaka-tsehatra nandritra ny lanonana tao amin’ny groupe éducatif Aceem, ny 10 febroary teo. […]