Auteur/autrice : Adnews

Ankazobe: dahalo iray maty voatifitra tao anaty kizo

Maty voatifitry ny miaramila ao amin’ny ZDS Ikopa tao amin’ny kaominina Am­bolotarakely, afakomaly, ny dahalo gagilahy iray. Raha ny tatitra nampitain’ny kaomandin’ny ZDS Ikopa, nandritra ny fisafoana ireo kizo fieren’ny dahalo manodidina ny ta­nànan’Antaniditra Andrano­miady, kaominina Ambolo­tarakely, distrikan’Ankazobe no nahavoatifitra ity dahalo ity. Fantatra fa ao amin’io kizo io ireo […]

Brickaville : mpianadahy hita faty natsingevan’ny rano

Tranga mampahonena. Hita faty omaly teny amin’ny renirano Ivohitra ao Bricka­ville ireo mpianadahikely tsy hita popoka hatramin’ny alarobia tolakandro teo. Ta­min’io fotoana io, nandeha nanao maloto tsy lavitra ny fokontany Ambohimanarivo izy dahikely ireto. Vita izay, nandeha nisasa teny amin’ilay renirano voalaza etsy ambony ilay zazalahikely fito taona sy ny […]

Nanararaotra rivodoza: jiolahy iray lavo, dimy azo sambo-belona

Nanararaotra ny fandalovan’ny rivodoza, jiolahy iray maty voatifitra ary efa-dahy voasambotry ny polisy teo am-pamakiana «quincaillerie», tao Ampasambazaha- Fianarantsoa, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia teo. Nifanehatra tampoka tamin’ny polisy manao fisafoana amin’ny alina ireto jiolahy mitam-piadiana, nikiry handositra avy hatrany ireto farany. Nasain’ny polisy nijanona saingy nanohy ny fitsoahana […]

Mpangalatra taribin-jiro : jiolahy 6 naiditra am-ponja

Olona enina tamin’ireo sivy tratra no naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’Ambatondrazaka, omaly, raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny telo. Voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra taribin-jiro sy fitaovan’ny orinasa BETC Jiro kanto mpiara-miombon’ antoka amin’ny Jirama ireto tratran’ny zandary tao Tsa­rahonenana Ambatondrazaka ireto. Halatra niteraka fahatapahan-jiro matetika tany an-toerana. Misy […]