Auteur/autrice : Adnews

Kitra – CAN 2023: hitsara ny lalaon’i Lesotho sy Zambia i Dimbiniaina

Nahazo anjara amin’ny fitsarana lalao iraisam-pirenena indray ny mpitsara malagasy. Ny fifanintsanan’ny Can 2023 no hanatanterahan’i Dimbiniaina izany fitsarana izany. Notendren’ny Kaonfede­rasiona afrikanina hi­tsara ny fihaonana eo amin’ny ekipam-pirenen’i Le­sotho sy Zambia, taranja baolina kitra ilay Malagasy, Andriaroanarivelo Dimbi­niaina. Marihina, mpitsara mpanampy ny toerany, izay efa manana ny fahaiza-manao ny […]

Fifidianana kaOminaly : namaly ny MMM ny Ceni

“Ny rafi-pitantanana eto amintsika, tsy ny Ceni irery no manapa-kevitra. Aza hadinoina, fa misy mbola iandrasana didim-panjakana ny asan’ny Ceni sasantsasany. Tsy manana fahefana hamoaka didim-panjakana ny Ceni.” Izay ny fanazavan’ny filoha lefitra voalohan’ny Ceni, Andria­malazaray Andoniaina, mom­ba ny fitakian’ny mpanao politika sasany, toy ny MMM ny tokony hamoahana ny […]

Amoron’i Mania sy Ihorombe: nosoloina ireo governoram-paritra

Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly teny Iavo­loha, ny nanendrena ny Dr Ramananjarasoa Clarisse Eugenie, ho governoran’ Ihorombe. Tahaka izany koa ny nanendrena ny ben’ny Ta­nànan’Ambositra, Fomendra­za Haingo Elysette ho governoran’ny faritra Amoron’i Mania. Izany hoe, olom-boafidy nivadika ho olom-boatendry, manomboka izao. Ani­san’ireo niteraka resabe ny fomba fiasa sy […]

Filohan’ny SMM : “Avelao hanana ny fahaleovantenany ny fitsarana”

“Mangataka ary mbola manamafy hatrany izahay hoe: avelao hanana ny tena fahaleovantenany ny fitsarana. Tsy idirana mpanao politika izany, indrindra ny fahefana mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna”, hoy ny filohan’ny Sendikàn’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM), Andriantsihorisoa Mbitana­rivo, teny Faravohitra, afakomaly, momba ny fisian’ny mpitsara sy mpirakidraharaha voatonontonona amin’ny tambajotran-tserasera sosialy […]

Fikaroham-bahaolana : noraisin’ny Pnud ny HVM

Nihaona tamin’ny mpandrindra maharitry ny Firenena mikambana (Pnud), Issa Sa­nogo ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina Hery sady filoha nasionalin’ny HVM, teny Andraharo, oma­ly. Niompana lafin-javatra maromaro ny dinika nifanaovan’ny roa tonta. Anisan’izany ny fijerena vahaolana manoloana ny toe-draharaham-pirenena eto amintsika. Eo koa ny lafiny sosialy sy ny momba ny toekarena. […]